• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Moov.Mg
Image
Vaovao

Fiarovana ny tontolo iainana : fihetsika 8 azon’ny olom-pirenena rehetra ampiharina

04/01/2024 12:22 © Moov.Mg

Mety hanjavona tanteraka ny ala rehetra eto Madagasikara amin’ny taona 2050, raha ny zava-misy amin’izao no mitohy, hoy ny Fikambanana ho an’ny faritra arovana sy ny tontolo manan’aina eto Madagasikara (FAPBM). Noho izany indrindra dia manana adidy amin’ny fiarovana ny ala sy ny tontolo iainana amin’ny ankapobeny, ny tsirairay. Manolo-kevitra amin’ireo fandraisana anjara azon’ny olom-pirenena atao ny WWF Madagasikara.

Fahasimbana goavana

Rehefa miandoha toy izao ny taona dia fomban’ny olona ny mandray fanapahan-kevitra tsara sy tanjona afaka mampivoatra kokoa ny fiainana. Ny WWF, izay fi¬kambanana iraisam-pirenena miaro ny tontolo iainana, dia mandrisika ny rehetra mba hanana fikasana tsara mifandraika amin’ny tontolo iainana. Araka ny fantatra tokoa mantsy dia faritr’ala mirefy 99.000 ha isan-taona no potika eto Madagasikara, noho ny antony maro samy hafa, fa indrindra noho ny doro ala sy ny doro tanety. Raha ny tao amin’ny faritra arovana Menabe Antimena fotsiny dia manodidina ny 45.381 ha ny ala simba, tao anatin’ny 20 taona. Noho ireo fahasimbana goavana ireo indrindra no maha-zava-dehibe ny firotsahan’ny olom-pirenena bebe kokoa amin’ny fiarovana ny tontolo iainana, amin’ny alalan’ny fanatanterahana asa sy amin’ny alalan’ny fambolena fahazarana tsara.

Soso-kevitry ny WWF Madagasikara

Miisa 8 ireo soso-kevitry ny WWF Madagasikara, azon’ny olona rehetra ampiharina sy tanterahina, mba ho fandraisana anjara amin’ny fiarovana ny tontolo iainana :

  1. Mianatra sy mandalina momba ny natiora sy ny zavaboary
  2. Mitsidika toerana vaovao misy zavaboary (valan-javaboary)
  3. Mandray anjara amin’ny hetsika miaro ny natiora (andro maneran-tany, fanadiovana ny tanàna, fambolen-kazo…)
  4. Mamboly hazo sy manara-maso izany
  5. Mampihena ny sakafo tsy lany sy ariana
  6. Mitsitsy rano
  7. Mampiasa harona lamba na tsihy, fa tsy plastika
  8. Mampiasa « gourde » fa tsy tavoahangy plastika
Lire la suite

Articles Similaires