• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Cecs
Image
Vaovao

Fivondronamben'ny Eveka : Tsy hisy mihitsy ny fitsofan-drano ny fiarahan’ny mitovy fananahana eto Madagasikara

03/01/2024 16:16 © Moov.Mg

Manoloana ilay resa-be momba ny faznomezana tsodrano ireo mpifankatia tsy ara-dalàna, izay niteraka tsy fifankahazoan-kevitra, tsy teto Madagasikara ihany fa manerana ny firenena maro, dia nivoaka tamin’ny fahanginany ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara, omaly 2 janoary 2024. Namoaka fanambarana momba ilay “Fiducia supplicans”, no sady nitondra ny firarian-tsoa tamin’ny nahatrarana ny taom-baovao ihany koa.

Famindram-po sy fisokafana

Amin’ny ankapobeny dia nanamafy izay fanazavana efa voalaza ity fanambaran’ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara ity. Nahitsy ny Eveka raha nilaza fa tsy hisy fitsofan-drano ny fiarahan’ny mitovy fananahana na oviana na oviana ato amin’ny Eglizy Katôlika eto Madagasikara. Sady tsy misy ao anatin’ny Fampianaran’ny Eglizy Katôlika izany no tsy nolazain’ny Papa rahateo, ary tsy mifanaraka amin’ny kolontsaintsika malagasy ihany koa. Ny tanjon’ilay fanambaràna, izay navoakan’ny Foibe misahana ny Foto-pampiaranam-pinoana tamin’ny 18 desambra 2023 teo ary nosoniavin’i Papa Fransoà, araka ity fanambaran’ny Eveka ity, dia ny famindram-po, ny fisokafana, ny fanakaikezan’ny Eglizy ny olona, ny tsy fanilihana na iza na iza. Ny tena mibahan-toerana ao amin’ilay fanambaràna, hoy hatrany ny fanazavana, dia ny hevitry ny tso-drano sy ny fanomezana azy ao amin’ny asa pastôralin’ny Eglizy. Fitalahoana fanampiana amin’Andriamanitra be fitiavana no dikan’ny fangatahana tso-drano ataon’ny mpino. Mangataka izy mba hifanaraka amin’ny sitrapon’Andriamanitra ny fomba fiainana ka hahazo ny famonjena avy amin’i Jesoa Kristy.

Antso fanentanana

Nitondra antso fanentanana, miantefa amin’ny sokajin’olona maro ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara, tao anatin’ity fanambarana nataony ity. Ireo ray aman-dreny sy mpanabe dia nentanin’ireto raiamandrenim-piangonana ireto mba ho saro-piaro hatrany amin’ny fanabeazana sy ny fanaraha-maso ny zaza sy ny tanora, mba tsy hivaona ny fitondran-tena. Ny tanora dia namporisihina mba hahay hitsinjo lavitra, fa indrindra, tsy ho mpanaraka ny rivotry ny fiainana fotsiny. Ny kristianina katôlika manokana dia nankaherezina mba tsy ho mora misendaotra amin’ny fanenjehana sy fanaratsian’ny olona. Ireo Pretra kosa dia namporisihina amin’ny fanatanterahana ny asa ataony, ka hanatanteraka izany am-pahamalinana sy am-pitiavana. Tsodrano ho an’ny isam-pianakaviana, mba ho ambinin’Andriamanitra amin’izay rehetra atao sy kasaina mandritra ity taona 2024 ity, no namaranan’ny Fivondronamben'ny Eveka ny fanambarana nataony.

Lire la suite

Articles Similaires