• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Svs
Image
Vaovao

Tontolon’ny asa : tokony hiompana amin’ireo vary mangatsiaka ny Fanjakana, hoy ny sendikalista

03/01/2024 14:25 © Moov.Mg

Miandrandra fanatsarana bebe kokoa ny tontolon’ny asa ny mpiasa eto Madagasikara, amin’izao fiandohan’ny taona 2024 izao, izay mifanojo amin’ny fiantombohan’ny taom-piasana vaovaon’ny Filoha Andry Rajoelina. Naneho ny heviny momba ny zavatra andrasany ireo sendikalista.

Fiaraha-miasa amin’ny sendika

Manantena fiovam-pamindra eo amin’ny Fitondram-panjakana ny Firaisamben'ny Sendikan'ny mpiasa malagasy Revolisionera (FISEMARE), ka hanana finiavana hamorona asa, mba ho fampihenana ny tahan’ny tsy an’asa. Fomba iray azo entia mampiroborobo ny tontolon’ny asa, araka ny nambaran’i Mananandro Raphael, sekretera jeneralin’ny FISEMARE, ny fiarahan’ny Fanjakana miasa amin’ireo sendika, mba ho fampanajana ny zon’ny mpiasa. Raha tsy misy izay fiaraha-mientana amin’nysendika izay, hoy izy, dia mijanona ho resaka fotsiny ihany ny fampanantenana nataon’ny filoha tao anatin’ny lahateniny, izay milaza fa hifantoka kokoa amin’ny lafiny ara-tsosialy sy ny maha-olona. Isan’ny zo tsy voahaja, notsipihin’ny FISEMARE, ny tsy fampiharan’ny mpampiasa ny didim-panjakana izay mamaritra ny fisondrotan-karaman’ny mpiasa.

Fanatsarana ny lalàna mifehy ny asa

Ho an’ny Randrana Sendikaly kosa, mbola betsaka ny vary mangatsiaka tokony hiompanan’ny Fanjakana. Notanisain’i Barson Rakotomanga, mpitarika ity sendika ity tamin’izany, ny fehezan-dalàna momba ny asa, izay efa tokony halefa hodinihina eny amin’ny Antenimieram-pirenena sy havoaka amin’izay, araka ny nambarany. Tahaka izany koa ny Sata ankapobe mifehy ny mpiasam-panjakana. Samy efa tsy manaraka ny toetry ny andro daholo mantsy ireo lalàna mifehy ny asa ireo. Efa tokony hiompanana ihany koa ny mikasika ny fehezan-dalana momba ny zo sosialin'ny mpiasa (Code de prévoyance sociale), hoy hatrany Rakotomanga Barson, izay efa tamin’ny taona 1969 no nandrafetana azy. Nomarihiny fa tsy misy firenena mandroso raha tsy mandroso ny tontolon’ny asa sy ny sosialy.

Lire la suite

Articles Similaires