• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Polisim-Pirenena
Image
Vaovao

Hetsiky ny polisy nandritra ny faran’ny taona : Razana miisa 2 no hita, olona 37 no voasambotra

02/01/2024 15:59 © Moov.Mg

Nametraka lamina manokana, miavaka amin’ny andavanandro ny Polisim-pirenena Malagasy, ho fitandroana ny filamina nandritra ny fetin’ny faran’ny taona sy ny taombaovao. Nitondra ny tatitry ny vokatr’izany ny polisim-pirenena.

Lozam-pifamoivoizana namoizan’aina

Olona 37 isa no voasambotra, nandritra ireo andro roa nanaovan’ny Polisim-pirenena hetsika ho fitandroana ny filaminana. Ny 18 tamin’ireo dia olona nampiahiahy, ka niharan’ny fisavana. Nisy kosa ireo tratra nanatanteraka heloka mihitsy, ka iray no tratra nanendaka, 10 voasambotra noho ny halatra tsotra, iray voatazona noho ny halatra môtô, roa nosamborina noho ny fikasana hangalatra, roa ihany koa noho ny harom-paosy ary ny 3 notazonina am-balam-pamonjana noho ny fahamamoana an-kalamanjana. Raha atotaly ny tranga rehetra noraisin’ny polisy an-tanana nandritra ny fetin’ny faran’ny taona sy ny taombaovao dia nisy vaky trano 4, halara tsotra 8 ary fikasana hangalatra 2. Ankoatra izay dia nisy trangana lozam-pifamoivoizana 9, ka ny 6 tamin’ireo naharatrana olona ary ny 3 namoizan’aina. Nisy razana niisa roa ihany koa hita, nandritra ireo roa andro ireo.

Ady amin’ny herisetra ara-nofo

Polisy miisa 1 985 no niparitaka eran’Antananarivo, nitandro ny filaminana nandritra ny fety vao natrehina teo. Raha atotaly kosa dia manodidina ny 5.000 isa no nahetsika, manerana an’i Madagasikara. Nisy, nandritra izany, ny fisafoana isan-karazany, ny fitandroana ny filaminana teny amin'ny toerana be olona sy ny fanamafisana ny angom-baovao, mba ho fisorohana ny fanakorontanana. Isan’ny nataon’ny polisim-pirenena vain-dohan-draharaha, tamin’ity indray mitoraka ity, araka ny nambaran’izy ireo, ny fiarovana ny ankizy sy ny vehivavy. Araka izany, nametrahana fanaraha-maso manokana mihitsy ny heloka mahakasika azy ireo, indrindra ny momba ny herisetra ara-nofo.

Lire la suite

Articles Similaires