• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Tily Eto Madagasikara
Image
Vaovao

Rivo-doza Alvaro : Nampiomana ireo mponina nahazo fampitandremana miloko mena ny Tily

02/01/2024 10:10 © Moov.Mg

Araka ilay baikon’ny Tily eto Madagasikara manao hoe : « hatrany hatrany, vonona ! », dia nirotsaka an-tsehatra tamin’ny fanentanana ireo mponina nahiana ho voakasik’ilay rivo-doza Alvaro mivantana, ireo mpikambana ao anatiny, nandritra ny andron’ny taom-baovao omaly.

Tily 120 isa

Efa mihena ny herin’ilay rivodoza Alvaro, satria efa 50km isan’ora ny rivotra entiny, raha ny vaovao avy amin’ny Foibe Famantarana ny Toetry ny Andro, androany tamin’ny 6 ora maraina. Tsy maintsy nisy kosa ny fiomanana, tany amin’ireo Faritra sy Distrika nahiana holalovany, mba ho fisorohana ny loza. Tanora skoto Tily miisa 120, araka izany, no nirotsaka teny anivon’ny fiarahamonina, omaly 1 janoary 2024. Fanentanana sy fampiomanana ny mponina tany amin’ny faritra Atsimo Andrefana, sy Menabe, amin’ny fiatrehana ny fandalovan’ny rivo-doza Alvaro, no notanterahin’izy ireo nandritra izany. Ireo mponina tao amin'ny distrikan’i Toliara I, Toliara II, Morombe, Morondava sy Manja, izay efa nahazo fampitandremana miloko mena, na loza mitatao, no nitondran’ireto mpikambana Tily ireto fampahatsiahivana, ny amin’ireo fihetsika tokony atao mialoha, mandritra sy aorian’ny fandalovan’ny rivo-doza.

Tanjon’ny fampandrosoana lovainjafy

Niara-nisalahy tamin’ireo ambaratongam-pahefana any an-toerana sy ny Birao Nasionaly misahana ny Fitantanana ny Loza sy ny Tandindondoza (BNGRC) ary ny Tahirin’ny Firenena Mikambana ho an’ny Ankizy (UNICEF) ny Tily, nandritra ity asa firotsahana ity. Tanjona ny hampihenana ny fiantraikan'ny fandalovan’ny rivo-doza Alvaro eo amin’ireo mponina sy hisorohana ny mety ho fisian'ny aina afoy. Efa vonona amin’ny mety ho fikarakarana ireo traboina ihany koa ireo skoto Tily ireto, raha toa ka ilaina izany. Mifandraika amin’ny fanatrarana ny tanjon’ny fampandrosoana lovainjafy (ODD) faha-13 : maka fepetra hiatrehana ny fikorotanan’ny toetr’andro ; sy ny ODD faha-17 : manamafy sy mamelona ny fomba hanatanterahana ny fiaraha-miasa iraisam-pirenena ho an’ny fandrosoana lovainjafy, izao hetsiky ny Tily izao, araka ny fanazavana nentin’izy ireo.

Lire la suite

Articles Similaires