• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Moov.Mg
Image
Vaovao

Fanalefahan-tsazy : voafonja 16 766 isa manerana ny Nosy no misitraka izany

02/01/2024 09:31 © Moov.Mg

Araka ny fampanantenana nataon’ny Filoham-pirenena, nandritra ny lahateny nataony tamin’ny faran’ny taona, dia misy ireo voafonja mahazo fanalefahan-tsazy, ho fanamarihana ny taona vaovao.

Voafonja miisa 9 757 amin'ireo 16 766 manerana ny Nosy no nisitraka izany fanalefahan-tsazy izany, ka ny 2 766 tamin’ireo no afaka nivoaka ny toeram-pigadrana avy hatrany, araka ny didim-panjakana noraisina tamin'ny 31 desambra 2023. Araka izany, tsy ireo voafonja rehetra no afaka nahazo ny « grâce présidentielle » satria, misy ireo heloka tsy ahazoana fanalefana-tsazy mihitsy, araka ny fanamarihana nataon’ny avy eo anivon’ny fiadidiana ny Repoblika. Tafiditra ao anatin’izany ny fanodikodinana volam-panjakana, ny kolikoly amin'ny endriny rehetra, ny vono olona, ny fanolanana sy ny herisetra ara-nofo, ny fanohitohinana ny filaminana anatin'ny fanjakana, ny fifofoana ny ain'ny filoham-pirenena, ny heloka mikasika ny fanondranana ireo harena sarobidy sy voajanahary, ny fivarotana sy fidorohana zava-mahadomelina ary ny fakana an-keriny.

Tafiditra ao anatin’ny mason-tsivana nisafidianana ireo voafonja nomena fanalefahan-tsazy, ankoatra izay, ny havesatry ny heloka nataony, ny taonany sy ny faharetan'ny saziny, hoy ny fiadidiana ny Repoblika.

Lire la suite

Articles Similaires