• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Météo
Image
Vaovao

Rivodoza Alvaro : Tafiditra an-tanety omaly tao Morombe, tsy atahorana intsony

02/01/2024 05:39 © Moov

Tokony ho tamin'ny 7 ora hariva teo ho eo, omaly 1 janoary 2024, no niditra an-tanety tao amin'ny distrikan'i Morombe ny rivodoza Alvaro. Mbola mihaodihaody any amin'ny tapany atsimo andrefan'ny Nosy izy ka vinavinaina hivoaka any an-dranomasina androany alina na rahampitso maraina.

Tamin'ny 4 ora maraina teo dia amin’ny Distrikan’i Beroroha, faritra ATSIMO ANDREFANA no misy ny foiben’ilay andro ratsy ALVARO. Tsy dia misy atahorana firy intsony nefa satria nihena ny heriny ka tombanana ho 55 Km/ora ny rivotra entiny izay arahina tafiotra mitsitokotoko 65 Km/ora manakaiky ny foibeny. Raha "Forte tempête tropicale" izy teo aloha dia lasa "Dépression sur terre" noho izany fihenan'ny tanjany izany.
Manohy ny diany miatsinanana hatrany izy amin’ny hafainganam-pandeha 18 Km/ora. Mbola mety ahiana hitoetra kosa ny rotsak’orana matevina miaraka aminy indraindray ary hiitatra miandalana amin’ny faritry ny afovoan-tany sy ny ilany Atsimo-Atsinanan’ny Nosy. Vinavinaina hivoaka an-dranomasina any amin’ny faritra FITOVINANY ny sisan-drahona miaraka amin’ity andro ratsy ity ny Talata alina na ny marainan’ny Alarobia izao.

Filazana loza

Fahamailoana miloko manga : Ny Distrakan’i MORONDAVA, MANJA, MORO

Lire la suite

Articles Similaires