• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Météo
Image
Vaovao

Rivodoza Alvaro : Hiditra an-tanety androany alin'ny 1 janoary 2024

01/01/2024 18:15 © Moov

Vinavinaina hiditra an-tanety izao alina izao ao Morombe ny Rivodoza Alvaro.

Tsy misy fety vanona ny any amin'ny faritra atsimon'ny Nosy. Miakatra ny rano sady mifofofofo mafy ny rivotra, hatrany amin'ny 150 km isan'ora. Ao amin'ny ditrikan'i Morombe no hidiran'ny rivodoza rahalina. Hanohy hamakivaky ny faritra Matsiatra Ambony rahampitso Talata, ary tokony ho tafavoaka an-dranomasina manodidina ny faritra Vatovavy sy Fitovinany ny Alarobia.
Tamin'ny 5 ora hariva teo dia tany amin'ny 51 Km avaratra andrefan’i Morombe. Noho ny heriny dia nomena ny anarana "Forte Tempête Tropicale" i Alvaro. 15 km/h ny hafainganam-pandehany.

Filazana loza

Miloko MENA na loza mitatao: Distrikan'i MORONDAVA, MANJA, MOROMBE ary TOLIARA I-II.
Miloko MAVO na loza manambana: Distrikan'i MAHABO, BEROROHA, ANKAZOABO ary SAKARAHA.

Lire la suite

Articles Similaires