• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Moov
Image
Vaovao

Taona 2023 : olo-malaza 7 no nodimandry

31/12/2023 22:10 © Moov

Olo-malaza nanana ny maha-izy azy maromaro no nindaosin’ny fahafatesana tamin’ity taona 2023 ity. Ny teo amin’ny sehatry ny hira sy mozika dia nisy 6 izy ireo no nandao ny tany. Namoy andrarezina ihany koa ny tontolon’ny lakozia

Hiragasy sy ny kalon’ny fahiny

Ny harivan’ny alahady 27 aogositra 2023 no nindaosin’ny fahafatesana tampoka Rasamimanana Rochel, fantatra tamin’ny solon’anarana hoe : « Ra-petit », tao amin’ny tontolon’ny hiragasy. Filohan'ny Fikambananan'ny Mpihiragasy eto Madagasikara (F.M.G.M) izy fahavelony ary nitondra ny tarika "Sahondrafinina Zanany". Ny 21 ôktôbra indray dia i Abel Ratsimba no namoy ny ainy, teo amin’ny faha-86 taonany. « Kalon’ny Fahiny » no azo anasokajiana ny hira nohirainy. Ny taona 1963 izy no nanomboka niaka-tsehatra, ka sady mpihira izy tamin’izany no mpamoron-kira ihany koa.

Salegy sy tendry gasy

Ny 19 novambra dia i Eliane Bezara Virginie, izay fantatra tamin’ny anarana maha-mpanakanto azy hoe : Ninie Doniah, no nindaosin’ny fahafatesana. Narary mafy tao amin’ny fonjan’i Nosy Be, izay nitanana azy izy, ary handeha ho entina hamonjy ny hôpitalin’Antsiranana no tsy tana intsony ny ainy. « Mpanjakavavin’ny salegy » no solon’anarana nomena azy, noho izy vehivavy nisongadina indrindra tao anatin’io karazana mozika io. Ny 27 novambra dia lavo ihany koa ny andrarezin’ny « Tendry Gasy ». Tsy iza izany fa i Germain Rakotomavo, izay mpikambana tao anatin’ny tarika Ny Antsaly, nanomboka ny taona 1988. Efa niady tamin’ny aretina nandritra ny fotoana lavalava ihany izy, no izao namoy ny ainy izao.
Tsy adino ihany koa i Claudine Zafinera, vadin’ny mpanakanto Jaojoby, izay nandao ny volana may lasa teo.

Haify sy tononkira mafonja

Ny andron’io 27 novambra io ihany dia i Mariette Andrianjaka, izay fanta-daza loatra tamin’ny fahaizany mahandro ny haify malagasy, no nodimandry. 50 taona mahery no nilomanosany tao anatin’ny fikarakarana sakafo sy nampahafantarany, teto an-toerana sy tany ivelany, ny momba ny haitsiro malagasy. Izy no nahatahiry indrindra ny fahaiza-manao fahapanjaka momba ny hanimpitoloha malagasy. Tamin’ny 8 desambra kosa no nandao ny tany Randriamiarana Jean de la Croix, nantsoina hoe : Délacre, lehiben’ny tarika Black Jack’s. Niavaka tamin’ny tononkira noforoniny, izay nifono hevi-dalina sy nirafitra tsara i Délacre. Nirona kokoa tany amin’ny gadona « rock » ny sangan’asany, izay nitiavan’ny maro azy.

Fahabangana lehibe ho an’ny tontolon’ny zavakanto sy ny kolontsaina, na teo amin’ny hira sy ny mozika, na teo amin’ny haitsiro, ny nahafatesan’ireo olo-malaza nanana ny maha-izy azy ireo.

Lire la suite

Articles Similaires