• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Andry Rajoelina
Image
Vaovao

Lahateny faran’ny taonan’ny filoham-pirenena : Hanangana tanàna vaovao, hahazo sazy henjana ny mpanolana…

31/12/2023 21:56 © Moov.Mg

Nisongadina tamin’ny lahateny nataon’ny filohan’ny Repoblika, ho famaranana ny taona 2023 sy ho firariantsoa ho an’ny taona vaovao 2024 androany alina, ny fanazavana ireo praograman’asa hotanterahiny amin’ity taona ity sy mandritra ny 5 taona fotoam-piasany vaovao.

Filohan’ny Malagasy rehetra

Nanombohany izany ny fanomezana toky fa filohan’ny Malagasy tsy an-kanavaka izy, na ho an’ireo nifidy azy, na tsia, na koa ireo mbola misalasala. Taorian’izay dia naveriny nampahatsiahivina ireo andry telo lehibe iankinan’ny fomba fitantanana ny firenena ao anatin’ity fe-potoam-piasana vaovao ity, dia ny fampandrosoana ny maha-olona sy ny fanaovana laharam-pahamehana ny lafiny sosialin’ny vahoaka malagasy, ny fampiroboroboana ny indostria sy ny famoronana asa ary ny fametrahana fanjakana tsara tantana, amin’ny alalan’ny fanavaozana ny rafi-pitantanana ny asam-panjakana sy ny ady amin’ny kolikoly.

Fifehezana ny fitomboan’ny mponina

Eo amin’ny lafiny fahasalamana dia napetraky ny filoha ho laharam-pahamehana, araka ny voalazany tao anatin’ny lahateniny, ny fanokafana haingana ireo hôpitaly manara-penitra sy CSB II, mba hahafahan’ny besinimaro mitsabo tena araka ny tokony ho izy. Nampahatsiahiviny ihany koa izay efa nambarany nandritra ny Filàn-kevitry ny Minisitra voalohany notarihiny amin’ity fe-potoam-piasany vaovao ity, dia ny hanaovana ho maimaim-poana ny fandrindram-piterahana eny amin’ny tobim-pahasalamna miankina amin’ny Fanjakana, mba tsy ho maro loatra, hoy izy, ny zaza ateraka. Notsipihiny tamin’izany fa mitaky fifehezana ny fitomboan’ny mponina ny fampandrosoana.

Tetikasa « Ankohonana Miarina »

Eo amin’izay lafiny ara-tsôsialy izay hatrany dia hanangana toeram-ponenana sy famokarana vaovao ny Fanjakana, ao anatin’ilay tetikasa « Titre Vert », izay omena ny anarana « Ankohonana Miarina ». Ireo fianakaviana tena sahirana no ho voakasik’ity tetikasa ity mivantana, ka hisy ny sivana hatao amin’izany. Eny Tsimahabeomby distrikan’Arivonimamo, Faritra Itasy, no hanatanterahana izany, amin’ny velaran-tany 380ha. Ho afaka mamokatra sy mivelona ao anatin’izany tanàna vaovao izany ireo olona voafantina hisitraka ny tetikasa, araka ny nambaran’i Andry Rajoelina. Hisitraka fampiofanana sy hahazo tany fambolena isaky ny ankohonana izy ireo. Ho maimaim-poana ihany koa ny fampianarana sy fitsaboana eny an-toerana. Ao anatin’ny enim-bolana, raha ny nambaran’ny filoha, no hametrahana izany toerana izany, fa ao anatin’ny telo volana ho avy kosa dia efa hisy ireo fianakaviana hafindra toerana eny.

Ozinina mpanodina volamena sy lavanila

Eo amin’ny lafiny toekarena, dia tanjona ny hamokarana sy hanodinana eto an-toerana izay ilain’ny vahoaka. Tetikasa goavana kasain’ny Fanjakana hajoro ao anatin’izany ny fanaganana orinasa fanodinana volamena (raffinerie aurifère) voalohany eto Madagasikara, ka ho volamena efa voavadika ho « or monétaire » sy « lingot », manaraka ny fenitra sy ara-dalàna, no haondranana any ivelany. Sady hampiditra vola vahiny ho an’i Madagasikara izany no hampiakatra ny sandam-bolantsika ihany koa ary hahafahantsika manana tahirim-bolamena, hoy ny filoha. Etsy an-daniny, hisy ny paikady hapetraka momba ny lavanila, izay nisedra olana goavana tamin’ity taona ity. Hanangana ozinina mpanodina lavanila (usine d’extracion de vanille) ihany koa, noho izany ny Fanjakana, mba ho lavanila efa voahodina no haondrana. Tanjona amin’izany ny tsy hampitotongana ny vidin’ny lavanila.

« Castration chimique » ho sazin’ny mpanolana

Tafiditra ao anatin’ny vinan’ny fitondrana, ankoatra izay, ny hananganana ozinina hanodinana zezika hositrahan’ireo tantsaha, indrindra ny mpamboly vary. Eo koa ny hirosoana amin’ny fampiasana angovo azo havaozina, hialana amin’ny fahatapahan-jiro matetika sy lavareny. Eo amin’ny sehatry ny fitaterana dia tetikasa efa natomboka ary mbola hotohizana ny « autoroute » mampitohy an’Antananarivo amin’i Toamasina, ny fitaterana an-taroby ary ny « train urbain ». Eo amin’ny lafiny fitsarana dia fanapahan-kevitra goavana no noraisina, manoloana ny firongatry ny herisetra ara-nofo. Hisy ny fanovana hatao ao anatin’ny fehezan-dalàna famaizana, ka ankoatra ny fanagadrana mandrapahafaty dia hatao sesitany ihany koa ny mpanolana zaza tsy ampy taona. Hisy, ankoatra izay, ny fepetra ara-pahasalamana horaisina mba hanatsaharana ny filàn’ireo mpanolana tsy mahafehy ny tenany, amin’ny alalan’ny fanaovana « castration chimique ». Momba ny fanalefahan-tsazy faobe, izay mahazatra rehefa faran’ny taona toy izao, dia rahampitso no hahafantarana ny andinindininy, hoy ny filoham-pirenena.

Lire la suite

Articles Similaires