• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Moov
Image
Vaovao

Fintim-baovaon'ny taona 2023 : Ireo vaovao nisongadina teto Madagasikara

31/12/2023 21:12 © Moov

Atolotra anao ireo vaovao nisongadina nandritra ny taona 2023 teto Madagasikara.

Ny raharaha politika no tena nafana teto amin'ny firenena, nandritra ny taona 2023. Maro no efa nanahy fa tsy hilamina mihitsy i Madagasikara, sady efa nisy rahateo ny fandalovana krizy politika nialoha ny fifidianana filoham-pirenena. Tsy azo adinoina kosa nefa ny fandresena niezinezina tamin'ny Lalaon'ny nosy sy ireo vaovao samihafa ara-tsosialy, ara-ekonomika sy ara-kolontsaina.

Romy Voos # Migadra any Londres

Ny volana aogositra lasa teo no voasambotra tany Londres i Romy Voos Andrianarisoa, noho ny fanaovana kolikoly avo lenta tamina orinasa mikirakira vato sarobidy antsoina hoe "Gemfields". "Directeur de cabinet" teo anivon'ny fiadidiana ny Repoblika ny tenany tamin'io fotoana io. Nisy namany vahiny iray, Philippe Tabuteau, miara-voatazona aminy any Royaume-Uni. Taorian'ny nampalaza izany vaovao izany teto Madagasikara dia natsahatra avy hatrany tamin'ny asany i Romy Voos ary voalaza fa dia manokana no nalehany tany Londres. Ny volana novambra lasa teo, nandritra ny fitsarana ny raharaha, dia tsy nanaiky ny fiampangana azy ny vehivavy. Amin'ny volana febroary ho avy izao indray no hitohy ny fitsarana. Olona 10 moa no voakasik'ity raharaha ity.

Lalaon'ny Nosy # Laharana voalohany i Madagasikara

Saika nahazoan'i Madagasikara medaly volamena betsaka indrindra avokoa ny taranja rehetra. Nanan-tantara tokoa ny Lalaon'ny Nosy andiany faha-11 notanterahina teto Antananarivo. Tomombana avokoa na ny toerana nandraisana ny lalao na ny fandaminana rehetra. Raha tsiahivina dia miisa 272 ireo medaly azon'ireo atleta malagasy, ka ny 121 tamin'ireo dia volamena avokoa. Notolorana "prime" moa ireo mpilalao, ka mitentina 5 tapitrisa ariary izany ho an'ireo nahazo medaly volamena.
Nametraka tantara mampalahelo ihany koa nefa ny Lalaon'ny Nosy 2023 satria nisy aina maromaro nafoy nandritra ny fidirana teny Mahamasina, nandritra ny lanonam-panokafana.

Fifidianana filoham-pirenena # Tontosa soa aman-tsara

Toa ny nofinofy ny fahatanterahan'ny fifidianana filoham-pirenena teto Madagasikara. Latsaka tanaty krizy politika mantsy ny firenena nandritra ny volana vitsivitsy. Ny 16 novambra lasa teo no nanatanterahana ny fandatsaham-bato. Na somary vitsy aza ireo mpifidy tazana teny amin'ireo birao fandatsaham-bato teto an-drenivohitra, nahatratra 46,36% ny taham-pahavitrihana manerana ny nosy. Ny kandida laharana faha-3, Andry Rajoelina, no lany tamin'ny taha 58,95%. Araka izany, tsy nisy ny fihodinana faharoa. Ny 16 desambra lasa teo moa no nanaovany ny fianianana nanoloana ireo mpitsara mpikambana eo anivon'ny HCC, teny amin'ny kianja Barea Mahamasina.

Collectif des candidats # Naneho fanoherana ny fitondrana

Nidina an-dalambe ireo kandida tamin'ny fifidianana filoham-pirenena miisa 11, izay nanohitra ny filatsahan-kofidian'i Andry Rajoelina. Ity farany izay manana "nationalité" frantsay no tena nampitroatra ireo mpifanandrina taminy. Noho ny kandida iray naratra, Andry Raobelina, niatrika fandidiana tany ivelany, no nanemorana ny fifidianana : 16 novambra raha tokony ho 9 novambra. Nisy ny fifanandrinana tamin'ireo mpitandro ny filaminana, ka tsy tonga teny amin'ny kianjan'ny 13 may mihitsy ireo mpitolona. Maromaro ny fisamborana nisy, ka efa voasambotra tamin'izany ny kandida iray sy ny sekretera jeneralin'ny antoko TIM.
Marihana fa kandida miisa 10 no tsy nanatanteraka fampielezankevitra. Nikasa ny namerina ny tolona izy 11 mirahalahy talohakelin'ny fianianana teny Mahamasina saingy tsy nanome toromarika intsony izy ireo.

FFKM sy Antenimierampirenena # Nandray ny andraikitry ny mpanelanelana

Nanelanelana ny roa tonta ny FFKM sy ny Antenimierampirenena nandritra ny krizy politika nialoha ny fifidianana. Ny FFKM no tena nanomboka izany ka maromaro ireo fampiantsoana ireo kandida tamin'ny fifidianana filoham-pirenena farany teo. Nitady vahaolana moa no tena natao tamin'izany mba hisian'ny filaminana eto amin'ny firenena. Nisy ny fampivoriana ireo ankolafinkery maro sy ireo fikambanana samihafa ka nanapahana teny Tsimbazaza fa mila ahemotra ny fifidianana. Tsy nisy fiantraikany tamin'ny fikarakarana rehetra efa nataon'ny CENI nefa ireo resaka maro nandeha tetsy sy teroa, ka notontosaina ny 16 novambra ihany ny fifidianana.

Bac # Laza adina nivoaka mialoha, valim-panadinana nampitaintaina

Nanamarika ny sehatry ny fampianarana ny nisian’ny laza adina taranja Tantara sy jeôgrafia nivoaka mialohan’ny fotoana, nandritra ny fanadinam-panjakana bakalôrea. Voatery nosoloina ny laza adina, hany ka lasa tara be vao nanomboka ny fiatrehan’ireo mpiadina izany. Niverenana natao mihitsy aza, ho an’ireo naniry izany. Nisy kosa ireo tompon’andraikitra, mpampianatra sy mpianatra nahiditra am-ponja, voarohirohy tamin’ity raharaha famoahana laza adina ity.
Tetsy ankilany, nampitaintaina ireo mpanala fanadinana ny famoahana ny résultats. Tsy nivoaka ara-potoana mantsy ny tamin-kasasaran’ireo mpitsara fanadinana ka tsy nanaiky ny hiroso tamin’ny délibération izy ireo. Nanatanteraka ny ezaka rehetra namahana ny olana nisy ireo tompon’andraikitra ka nivoaka ihany ny vokapanadinana. Marihana fa tsy nisy intsony ny gazety nijerena ireo anarana fa niandry petadrindrina teny amin’ireo foibem-panadinana avokoa ny rehetra.

Hiragasy – Nahazo kianja vaovao sady lasa harembakoka iraisam-pirenena

Nahazo vahana ny hiragasy tamin’ity taona ity teo amin’ny lafiny ara-kolon-tsaina. Notokanana ny 30 jolay ny Kianjan’ny Hiragasy, eny amin’ny Lalana Ralambo Émile, ambadiky ny Tranombokim-pirenen’i Madagasikara eny Anosy. Nanatrika ny lanonana fanokafana izany ny olo-manan-kaja maro, notarihin’ny filoham-pirenena. Nanana solontena nanotrona tao ihany koa ireo tarika maherin’ny 50 izay mandrafitra ny Federasionan’ny mpihiragasy, mielipatrana amin’ny faritra maro eto afovoan-tany.
Tamin’ny volana desambra tamin’ity taona ity no tafiditra ho isan’ny Harembakoka ara-tsain’ny zanak’olombelona, ao anatin’ny lisitry ny UNESCO, ny hiragasy. Ny fivorian’ny komity iraisan’ireo Governemantan’ireo firenena mpikamban’ny UNSECO no nanapaka ny momba izany, tany Botswana. Ny alahady 10 desambra kosa no notontosaina, teny amin’ny Kianjan’ny Hiragasy Ampefiloha, ny lanonana fanambarana manetriketrika izany, teto Madagasikara.

Rovan’i Madagasikara – Tontosa ny fanavaozana

Niverina nisokatra sy azon’ny rehetra tsidihina indray ny Rovan’i Madagasikara tamin’ny 19 jona, taorian’ny 4 taona nanamboarana sy nanarenana azy. Fitomiandalana, Besakana, Mahitsielafanjaka, Tsarahafatra… Azo tsidihina avokoa. Nampiana fampirantiana ny kolontsaina mampiavaka ny Faritra 24 ihany koa, mba hampanakarena kokoa ny fitsidihana. Isan’ny mampiavaka ny fanamboarana natao ny fanamorana ny fivezivezena, ho an’ireo olona manana fahasembanana ara-batana. Eo ihany koa ny fampiasana ny teknôlôjia maoderina, ho an’ny fandikan-teny, ohatra.

Lavanila – Mitotongana ny vidiny

Teo amin’ny lafiny ara-toe-karena, nisedra olana goavana ny mpisehatry ny lavanila tany amin’ny Faritra SAVA, noho ny tsy fisian’ny mpividy nefa ny vidiny nitotongana. Nitarika fitokonana tany amin’ny Distrika maro izany, narahan’ny fifampidinihana niarahana tamin’ny filoham-pirenena mihitsy. Noraisin'ny Filan-kevitry ny Minisitra ny didim-panjakana manangana ny Komitin'ny Lavanila eto Madagasikara (CVM). Tsy nampivoatra loatra ny zava-misy anefa ny fanapahan-kevitra rehetra noraisina.

COP 28 # Nanana « pavillon » manokana i Madagasikara

Sambany, hatramin’ny nandraisan’i Madagasikara anjara tamin’ny fivoriambe mahakasika ny fiovan’ny toetrandro, na ny COP 28, no nanana « pavillon » manokana isika, toerana izay nanatanterahana fifanakalozan-kevitra isan-karazany. Nisongadina indrindra, tamin’ity fivoriana an-tampon’ny ONU notontosaina tany Dubaï ity, ny fandaniana ny fametrahana ny tahirim-bola mahakasika ny "fahavoazana sy ny fanonerana", ho an'ireo firenena mizaka ny vokadratsin'ny fiovan'ny toetrandro, toa an’i Madagasikara.

COVID-19 – Tsy hamehana intsony

Teo amin’ny lafiny ara-pahasalamana dia nambaran’ny OMS tamin’ny volana mey fa tapitra ny maha-hamehan’ny fahasalamam-bahoaka maneran-tany ny valanaretina COVID-19, taorian’ny krizy naharitra 3 taona, izay namoizan’ain’olona maro. Nakatona araka izany ny CTC teny Andohatapenaka. Na izany aza, nahery kosa ny trangan’aretina gripa teto Madagasikara nanomboka tany ho any amin’ny volana aogositra tany. Nisy vanim-potoana nampirongatra azy matetika, ka niteraka ahiahy tamin’olona maro, sao niverina indray ny coronavirus. Mitohy hatrany ny fanentanana ny hanaovana arovava ho an’ireo olona marefo.

Nirongatra ny VIH/Sida

Nahoraka fa nitombo be ny isan’ny olona mitondra ny otrikaretina VIH/Sida teto Madagasikara tamin’ity taona ity. Toerana maro no voatonona tamin’izany, toy ny distrikan’Ambohidratrimo Faritra an’Alamanga sy i Mahajanga Faritra Boeny. 0,3%-n’ny Malagasy no voalaza ho mitondra ny tsimokaretina tamin’ny efa-taona lasa. Niakatra ho 0,4 % izany tamin’ny taona 2022 ary heverina ho mbola nitombo tamin’ity taona 2023 ity.

Asan-dahalo sy halatr’olona

Nirongatra be ny asan-dahalo tamin’ity taona ity, ka ankoatra ny fangalaran’omby sy fanana hafa, dia nahitana trangana fangalaran’olona ihany koa. Misy ireo natao takalon’aina, narahina fitakiana vola ho tambin’ny famerenana azy, toy ny nitranga tany amin’ny distrikan’Ankazobe sy Anjozorobe, Faritra Analamanga sy ny tany amin’ny Faritra Menabe. Tao ihany koa ny fangalarana taova, ka ny olona varira no tena lasibatra tany amin’ny tapany Atsimon’ny Nosy. Nisy koa ny lohan’olona nanjavona, tany amin’ny distrikan’i Vondrozo.

« Beatbox » # Tompondaka eran-tany i Do-B

Ny volana aogositra, nibata ny amboara eran-tany amin’ny « beatbox » i Do Rasolofo¬arison, na Do-B, teo amin’ny sokajy « Vocal Scratch », nandritra ny fifaninana eran-tany « Beatbox Battle World Championship 2023 ». Tao amin’ny Huxleys Neue Welt any Berlin no nanatontosana izany fifaninanana izany. Efa 10 taona nikatrohana teo amin’io sehatra io moa i Do-B.

Lire la suite

Articles Similaires