• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Pixabay
Image
Vaovao

Andro ratsy ao amin’ny lakan-dranon’i Môzambika : arahi-maso ny fivoarany

29/12/2023 17:25 © Moov.Mg

Arahin’ny Foibe Famantarana ny Toetry ny Andro akaiky ilay faritra andro ratsy ao amin’ny Lakandranon’i Mozambika. Mbola tsy ahiana loatra hatreto ny hivadihany ho rivo-doza, saingy mitondra rotsak’orana betsaka kosa izy.

Tafiotra ao anaty oram-baratra

Nanomboka ny fiandohan’ity herinandro lasa ity no mitoetra ao amin’ny Lakandranon’i Mozambika ny tsioky ny talio. Vokatr’izany dia nahazo toerana kokoa ny rahom-baratra tamin’ny ilany atsinanan’i Afrika ary niitatra ao amin’ny Lakandranon’i Mozambika izany nanomboka ny omaly alakamisy. Noho izany dia misy taratra andro ratsy mitoetra ao amin’ny morontsirak’i Mozambika. Mbola malefaka ny rivotra miaraka aminy, fa mitoetra kosa ny tafiotra ao anaty oram-baratra. Ao anatin’ny 5 andro manaraka dia tombanana hikisaka miadana hanakaiky ny morontsiraka afovoany andrefan’ny Nosy ny rahom-baratra entin’ity faritr’andro ratsy ity. Ny ilany afovoany andrefan’i Madagasikara no tena heverina hahazo izay rotsak’orana betsaka izay. Manomboka androany hatramin’ny 31 desambra izao no tena heverina fa ho avy be ny orana any amin’ny Faritra Menabe sy any amin’ny Distrikan’Antsalova ary Morombe.

Mety hisy fiantraikany ratsy

Nampitandrina, noho izany ny Foibe famantarana ny toetry ny andro, fa mety hiteraka fahasimbana fotodrafitrasa, fiandronan’ny rano, na ihany koa fihotsahan’ny tany izany rotsak’orana betsaka izany. Araka izany dia mila mailo ireo mponina any amin’ireo Faritra sy Distrika voatonona ireo, ary hanaraka an-tsakany sy an-davany ny toromarika omen'ny manam-pahefana eny ifotony, mba hisorohana ny loza. Nanentana ireo mpampiasa ranomasina eo anelanelan’i Maintirano sy Toliara ihany koa ny mpamantatra ny toetry ny andro mba tsy hiandriaka. Hahazo vahana mantsy ny oram-baratra amin’ireo fari-dranomasina ireo, hatramin’ny fiandohan’ny taona 2024.

Lire la suite

Articles Similaires