• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Unsplash
Image
Vaovao

Sarimihetsika malagasy : Hanomboka ny 9 janoary ny fiofanana karakarain’ny Ministeran’ny kolontsaina

29/12/2023 11:50 © Moov.Mg

Hanolotra fampiofanana sarimihetsika ho an’ireo izay liana amin’izany ny Ministeran’ny Serasera sy ny Kolontsaina, amin’io volana janoary ho avy io. Efa misokatra ny fisoratana anarana ho amin’izany.

Fiofanana matianina

Matianina eo amin’ny sehatry ny sarimihetsika no nantsoin’ny Ministeran’ny Serasera sy ny Kolontsaina (MSK) hitondra ny fampiofanana, dia i Hasimbola Rasolofo. Mpanatontosa horonan-tsarimihetsika (réalisateur), nivoaka avy tao amin’ny Ecole Supérieure de Réalisation Audiovisuelle tany Rennes (Frantsa) izy ary efa nanatontosa horonan-tsary maro dia maro. Nanangana sy mitantana ny « Dans la Boîte » ihany koa i Hasimbola Rasolofo, izay manome tolotra sarimihetsika ho an’ny mpanambady, no sady nanangana ny trano famokarana « En Pointillé » miaraka amin’i Maxence Gross, mpanodina horonan-tsarimihetika no sady mpaka sary manana ny lazany any Frantsa. Ny Akademiam-pirenen'ny Zavakanto sy ny Kolontsaina (ANAC) sy ny Ivontoeran’ny Sarimihetsika sy ny Sarimiaina Malagasy (ISSM) no hiandraikitra mivantana ity fampiofanana ity ary fiaraha-miasa amin’ny Fikambanana Hetsika sy Laka.

Haharitra 2 taona

Hanomboka ny 9 janoary 2024 izany fampiofanana ny teknisiana eo amin’ny sehatry ny sarimihetsika izany. Hanomboka amin'ny fanoratana ny tantara ny fahalalana hatolotra ny mpiofana, handalo amin’ny fanodinana ary ho tonga hatramin’ny rafi-tsary sy feo ara-tsarimihetsika (pré-production, production et postproduction cinématographique). Haharitra roa taona ny fampiofanana, izay sady azo hatrehina mivantana no hampitain-davitra, mba hahafahan’ny rehetra misitraka azy, indrindra ireo izay maniry ny hiofana nefa any amin’ny faritra, na koa tsy afaka ny hivezivezy hanatrika ny fotoam-piofanana mandritra ny ora voatondro. Any amin’ny faran’ny fiofanana dia hisy ny fanatanterahana sarimihetsika fohy, hiarahan’ny mpiofana rehetra manao, mba hahitana taratra ny fahaizana rehetra norantovin’izy ireo sy ny traikefa voarainy nandritry ny roa taona, ka hahafahany maneho ny fahaiza-manaony eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena.

Voafetra ny toerana

Efa misokatra ny fisoratana anarana, ho an’ireo izay maniry ny handray anjara amin’ity fiofanana ity. Ireo olona efa misoratra ao anatin’ny rejisitry ny ISSM dia hahazo tombony manokana, satria hiantohana ny ampahany amin'ny saram-pianaran’izy ireo. Efa nisy ihany koa, raha tsiahivina, ny fiofanana nokarakarain’ny MSK ho an’ireo mpisehatra eo amin'ny sarimihetsika ao anatin’ny ISSM, tamin’ny volana martsa, tamin’ity taona ity. Niofanana tamin’izany ny momba ny taranja fototra amin’ny fomba fanoratana tantara amin’ny horonan-tsary (écriture cinématographique), ny filalaovana (actorat), ny famokarana (production), ny asa aorian’ny fanodinana (post-production), ny fanatontosana horonan-tsary (réalisation), sy ny pitsopitsony ara-teknika samihafa amin’ny sarimihetsika. Ho an’ity fiofanana hanomboka amin’ny volana janoary ity dia marihina fa voafetra ny toerana, ho an’ireo hanatrika mivantana eny amin’ny foiben’ny ANAC sy ny ISSM.

Lire la suite

Articles Similaires