• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Infocom Seg
Image
Vaovao

Fandriampahalemana any Ankazobe : Efa votsotra avokoa ireo takalon’aina rehetra

29/12/2023 09:55 © Moov.Mg

Efa voafehy ny fandriampahalemana any amin’ny distrikan’Ankazobe, araka ny fampitam-baovaon’ny Zandarimariam-pirenena. Mbola mitohy kosa ny fampandrian-tany, izay ifandrimbonan’ny zandary, ny tafika sy ireo mponina.

Tagnamaron'ny fandriam-pahalemana

Nalaza tokoa ny asan-dahalo narahana fakana an-keriny, nitranga tany amin’iny distrikan’Ankazobe iny, tamin’ity taona ity. Tsy nisy tranga vaovao intsony anefa tato ho ato ary efa navotsotr’ireo olon-dratsy avokoa ireo olona nalaina an-keriny, hatramin’ireo 2 farany, hoy ny fampitam-baovaon’ny seraseran’ny Zandarimariam-pirenena. Ny Kôlônely Fanevarison no mitarika ny fampandrian-tany, ao anatin’ny hetsika « Tagnamaron'ny fandriam-pahalemana » (TA.FA), nanerana ireo kizo sy tanàna ao anatin'ny distrikan'Ankazobe manontolo. Nisy vatan-dehilahy aman’arivony niara-nisalahy tamin'ireo Zandary tamin’izany, notohanan’ny Tafika Malagasy. Diabe fanaovana savahao ireo kizo fieren'ny jiolahy no nataon'ireo Zandary sy Miaramila, miaraka amin’ireo Tanora Aron'ny Vahoaka (TAV). Resy lahatra ireto farany fa ny fandraisana andraikitra miaraka amin'ny Mpitandro ny filaminana no antoky ny filaminana, any amin’ny distrika misy azy ireo.

Mitohy ny savahao

Mbola mitohy izany hetsika izany, araka ny fantatra, mba ho fametrahana ny fandriampahalemana maharitra. Raha ny omaly, ohatra, dia niainga tao Firarazana ireo mpanao diabe ary nandeha nitety ireo ala rehetra hatrany Ambohitantely sy ny manodidina. Mbola eny an-kianja izy ireo hatramin’ny androany ary mbola mitohy ny savahao. Etsy an-daniny dia misy hatrany koa ny fampianarana sy fanentanana ary fampiharana avy hatrany ny tetika mahomby eny an-tsehatra, iadiana amin'izay ambana rehetra mahakasika ny tsy fandriampahalemana. Tsiahivina fa mpitandro ny filaminana sivy sy olom-boafidy roa ary sivily hafa miisa dimy no efa natolotra ny fampanoavana ao Ankazobe, tamin’ity volana desambra ity, izay samy voarohirohy amin’ny firaisana tsikombakomba sy famatsiana bala ireo dahalo mpaka an-keriny ao anatin’ny distrikan’Ankazobe avokoa.

Lire la suite

Articles Similaires