• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Cnfm
Image
Vaovao

Marefo ara-bola, matahotra herisetra…, mbola vitsy ny vehivavy malagasy sahy manao pôlitika

28/12/2023 15:32 © Moov.Mg

Manana toerana goavana eo amin’ny fampandrosoana ny firenena ny vehivavy. Fomba ahafahany mandray anjara amin’ny fanapahan-kevitra ny fitazonany andraikitra eo amin’ny sehatra ara-pôlitika. Mbola vitsy anefa ny vehivavy mirotsaka an-tsehatra amin’izany, raha ho antsika eto Madagasikara.

Ambany ny taha

Raha tarafina amin’ny voka-pifidianana tamin’ny 4 taona lasa tokoa, dia mbola ambany dia ambany ny taham-pandraisan’anjaran’ny vehivavy amin’ny fitantanan-draharaham-panjakana eto Madagasikara. Ny 5%-n’ny Ben’ny tanàna eto amintsika mantsy no vehivavy, 10% no Mpanolo-tsain’ny tanàna ary ny 11%-n’ny Solombavambahoaka no andriambavilanitra. Antony maro no mahatonga ny vehivavy tsy harisika, na tsy ho sahy hiditra amin’ny fanaovana pôlitika, raha ny fandinihan’ny Filankevitra Nasionalin'ny Vehivavy eto Madagasikara (CNFM). Voalohany amin’izany ny fahefa-mividy, noho ny anto-bola tsy maintsy aloa rehefa hirotsaka hofidiana. Amin’ny ankapobeny anefa, somary marefo ara-bola ny vehivavy raha mitaha amin’ny lehilahy. Etsy an-daniny, matahotra ny hiharan’ny herisetra isan-karazany ny vehivavy rehefa mano pôlitika. Eo ihany koa ny tsy fahampian’ny fahatokisan-tena eo amin’ireo vehivavy sasany ary ny tsy fahafantarana ny tena andraikitra miandry azy, na dia eo aza ny faniriana ny handray andraikitra ao anatin’ny fiainam-pirenena.

Fanentanana sy fampiofanana

Na eo aza anefa ireo sakana ireo dia nilaza i Estelle Andriamasy, Filohan’ny CNFM fa hihetsika bebe kokoa ny Filankevitra Nasionalin'ny Vehivavy eto Madagasikara amin’ny taona 2024, ka hampitombo ny fampiofanana ny vehivavy, amin’ny sehatra maro. Tanjona voalohany ny hamporisihana ny vehivavy mba hirotsaka hofidiana, amin’ireo fifidianana rehetra hisy. Hitohy hatrany ihany koa ny fanamafisana ny fahaiza-manaon’ny vehivavy, amin’ny alalan’ny fanentanana sy ny fampiofanana ireo izay vonona ny hirotsaka an-tsehatra bebe kokoa. Isan’ny ilofosan’ny CNFM moa ny fampahafantarana ny vehivavy ny momba ny lalàna, ny fananan-tany, ary ny momba ny fandraharaharana.

Lire la suite

Articles Similaires