• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Moov.Mg
Image
Vaovao

Toetry ny andro : Tombanana ho avy ny orana, hatramin’ny faran’ny taona

28/12/2023 13:25 © Moov.Mg

Manome vahana ny orana, saika manerana ny nosy, ny fisian’ny tangoron-drahona (circulation dépressionnaire) ao amin’ny lakandranon’i Mozambika sy ao Atsimo Atsinanana. Mety haharitra hatramin’ny faran’ny taona sy ny fiandohan’ny taona vaovao izany toetry ny andro izany, hoy ny Foibe Famantarana ny Toetry ny Andro.

Oram-baratra

Ao anatin’ny fotoam-pahavaratra tanteraka isika amin’izao fotoana izao, ka tsy mahagaga ny fisian’ny rotsak’orana matetika. Raha ny zava-misy ankehitriny dia io tangoron-drahona ao amin’ny lakandranon’i Mozambika sy ao Atsimo Atsinanana io no mamaritra ny toetry ny andro ankapobeny, manerana an’i Madagasikara, raha ny fampitam-baovaon’ny Foibe Famantarana ny Toetry ny Andro. Manomboka androany no tena tombanana hitoetra eto amintsika izy io. Araka izany, hitohy ny rotsak’orana, saika manerana ny Nosy manontolo mihitsy. Ho oram-baratra izany, any amin’ny faritra maro, raha hiendrika orana tsotra kosa, ho an’ny faritra sasantsasany, mandritra ny telo andro ho avy.

Hidina ny mari-pana

Manara-maso akaiky io tangoron-drahona io ny mpamantatra ny toetry ny andro, na dia kely ihany aza ny erijika hivadihany ho rivo-doza. Tombanana haharitra hatramin’ny faran’ny taona sy amin’ny findohan’ny taona vaovao izany toetr’andro izany, afa-tsy ny any amin’ny Faritra Avaratra Andrefana izay ho maimaina ny andro aorian’ny 3 andro ho avy. Mila miomana amin’ny aro orana, araka izany, ireo handeha hivoaka ny trano amin’ny alin’ny faran’ny taona. Etsy an-daniny, ahitana fidinany ny ny mari-pana ambony indrindra manerana an’i Madagasikara, amin’ny ankapobeny, ao anatin’ny telo andro ho avy, indrindra ho an’ny tapany Atsimo-Andrefana, raha ny vinavinan’ny Foibe Famantarana ny Toetry ny Andro.

Lire la suite

Articles Similaires