• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Mfm
Image
Vaovao

Antoko MFM 51 taona : tsy teo amin’ny fitondrana, fa nilain’ny mpitondra foana ny heviny

27/12/2023 15:33 © Moov.Mg

Feno 51 taona katroka androany 27 desambra 2023 ny antoko MFM, izay niorina ny 27 desambra 1972, notarihin’i Manandafy Rakotonirina. Mbola mijoro ny antoko, na tsy manana toerana aza tao anatin’ny fitondrana nifandimby. Nahavita zavatra betsaka teto amin’ny firenena kosa anefa izy, raha ny tsiahy nataon’ny filoha mpiara-mitantana ny antoko, Randrianirina Jean Ignace, na Ramasy.

Nitondra ny demôkrasia

Tany am-boalohany dia « Mitolona ho an’ny Fanjakan'ny Madinika » no fanalavana ny MFM. Taty aoriana izy dia niova ho « Mpitolona ho amin'ny Fandrosoan'i Madagasikara ». Tao anatin’izay 51 taona nisiany izay dia tsy nahazo fitondrana mihitsy ny MFM, saingy nilain’ny mpitondra foana ny heviny, hoy Randrianirina Jean Ignace, filoha mpiara-mitantana ny antoko. Ohatra nomeny ny fizarana an’i Madagasikara ho Faritra, izay 28 no niheveran’ny MFM azy, araka ny nambarany. Ankoatra izay dia nitanisa ireo zava-bita maro nanamarika ny firenena, izay nandraisan’ny MFM anjara ihany koa Ramasy. Isan’ny antony nampipoaka ny tolon’ny taona 1972, raha ny filazany, ny « Sekoly Miangatra » notoherin’ny antoko, ka nahafahan’ny zana-bahoaka avy any ambanivolo, nianatra tamin’ny liseam-panjakana. Ny soso-kevitra nentina tao anatin’ny « Fanagasiana » ihany koa dia maro no avy amin’ny MFM. Ankoatra izay dia ny MFM, raha ny fanazavan-dRamasy hatrany, no nitondra ny demôkrasia taty Afrika. Narahin’i Madagasikara izany tamin’ny taona 1989, ary niteraka ny Repoblika faha-3.

Asa 600.000 isa isan-taona

Teo amin’ny lafiny ara-tsôsialy sy ara-toekarena dia nambaran-dRandrianirina Jean Ignace fa nampiditra mpiasa be dia be tao amin’ny oniversite ny antoko MFM, dia ireo mpampianatra indrindra indrindra. Avy amin’ny MFM ihany koa no nananganana ny orinasa afak’haba izay miroborobo amin’io fotoana izao. Eo amin’izay resaka asa izay hatrany dia nanamafy ny efa foto-kevitra nijoroan’ny antoko hatramin’izay ity filoha mpiara-mitantana ity. Mila mamorona asa 600.000 isa isan-taona isika, hoy izy, vao mandroso ny firenena, fa tsy vahaolana ho an’ny vahoaka ny toloram-potsiny. Nilaza moa ny antoko MFM, tao anatin’ny fanambarana nataony androany, fa vonona ny handray anjara amin'ny fifidianana rehetra ho avy, rehefa « voadio ny tokontany », araka izay efa notakiany hatramin'izay. Tsiahivina ihany koa fa ny 12 septambra lasa teo no nodimandry Rakotovazaha Olivier, filoha nasiônalin’ny MFM, ary mpiara-mitantana vonjimaika no mitarika azy amin’izao.

Lire la suite

Articles Similaires