• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Moov.Mg
Image
Vaovao

Tan-tsoroky ny tetikasa SCORE : niakatra ny voka-panadinam-panjakana teny amin’ny ambaratonga fototra

27/12/2023 10:44 © Moov.Mg

Nihoatra tamin’ny nandrasana ny vokatra azo, tamin’ny fanatanterahana ny tetikasa SCORE (Suivi Citoyen par les OSCs de la transparence et la Redevabilité de l'Education), raha ny tatitra navoakan’izy ireo, taorian’ny fanaraha-maso fahatelo nataony.

Fampihenana ny kolikoly

Miompana amin’ny fanatsarana ny tolotra eny amin’ny fanabeazana fototra amin’ny sekolim-panjakana, amin’ny alalan’ny fampiasana ara-drariny sy araka ny tokony ho izy ny enti-manana, ary ny fampihenana ny kolikoly sy ny fanodikodinam-bola eo amin’ny sehatry ny fanabeazana, ny tetikasa SCORE. Ny Education à Voix Haute/OXFAM no mamatsy vola azy. Firaisamonim-pirenena maromaro no mivondrona amin’ny fanatanterahana ny tetikasa. Ireo sekoly mahafeno ny fepetra takian’ny rafitra FEFFI (Farimbon'Ezaka ho Fahombiazan'ny Fanabeazana eny Ifotony) kosa no iasan’izy ireo. Ny FEFFI moa, raha tsiahivina, dia vondron’olona mitantana ny sekoly, izay ahitana ireo mpisehatra rehetra eo amin’ny fanabeazana eo an-toerana, toy ny ray aman-drenin’ny mpianatra, ny mpampianatra, ny mpisehatra eo an-toerana. Ity rafitra ity no miantoka ny kalitaon’ny fampianarana sy ny fitantanana tsara.

Fialan-daharana an-tsekoly

Taorian’ny fanaraha-maso fahatelo nataon’ny tetikasa SCORE dia hita fa tafakatra 75% ny tahan’ny fahafaham-panadinana CEPE tany amin’ireo sekoly ambaratonga fototra miankina amin’ny Fanjakana iasany, raha toa ka tany amin’ny 48% izany tany am-piandohana. Ho an’ny fanadinam-panjakana BEPC indray dia efa 66% izany taha izany amin’izao fotoana izao, raha toa ka tany amin’ny 52% tany aloha. Nahitam-piakarany tahaka izany koa ny taham-pifindrana kilasy. Na ny fialana an-daharana an-tsekoly aza dia efa nisy fivoarana be ihany koa, hoy ny avy ao amin’ny tetikasa SCORE, satria raha nahatratra 45% izany tany aloha dia efa tafakatra 73% kosa ny tahan’ny fitanana an-tsekoly ankehitriny, araka ny fanaraha-maso nataon’izy ireo.

Fampandehanan-draharaha

Araka ny fanazavana nentin’Andriamoraniaina Harijaona, tale mpanatanteraky ny firaisamonim-pirenena MSIS-Tatao sady tomponandraikitry ny tetikasa SCORE, dia ny fihatsaran’ny fampandehanan-draharaha eo anivon’ny FEFFI sy ny sekoly no nahazoana izao vokatra tsara izao. Raha ny 37%-n’ny sekoly ihany, tany am-piandohana, no nahafehy izany dia ny 73%-n’ny sekoly ankehitriny no efa tsara tantana. Momba ny fiasana anaty mangarahara, dia ny 88%-ny sekoly no efa mampahafantatra mazava ny momba ny fandaniana rehetra misy eo anivon’ny sekoly, taorian’ny tan-tsoroka nomen’ny tetikasa SCORE, raha toa ka ny 4%-n’ny sekoly na ny FEFFI ihany no nampihatra izany tany aloha, araka ny tatitra. Mitohy ny famatsiam-bola azon’ny tetikasa ary mihamafy ny fiaraha-miasa amin’ireo mpiara-miombon’antoka, taorian’izao fahombiazana azo izao.

Lire la suite

Articles Similaires