• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Fisemare
Image
Vaovao

FISEMARE : Fotoana izao handinihana ny fanondrotana ny karaman’ny mpiasa

26/12/2023 18:13 © Moov.Mg

Efa fotoana tokony handinihana ny momba ny fisondrotan-karaman’ny mpiasa, ho an’ny taona 2024 izao, raha ny hevitry ny FIombonamben'ny SEndikan'ny Mpiasa MAlagasy REvolisionera na FISEMARE. Tokony ampifanarahana amin’ny fiakaran’ny vidim-piainana izany, hoy ny sekretera jeneralin’ity sendika ity.

Ampifanarahana amin’ny vidim-piainana

Hatreto dia 250.000 Ariary ny karama farany ambany napetraky ny Fanjakana, saingy tsy mbola tafapetraka akory aza izany. Raha ny zava-misy nifampiresahan’ny mpiasa sy ny mpampiasa, dia manodidina ny 230.000 Ar eo ho eo ny karama farany ambany noraisin’ny mpiasa Malagasy tamin’ity taona 2023 ity. Fiakarana 10% izany, raha mitaha amin’ny teo aloha. Tsy tokony hokajiana amin’ny isan-jato toy izany intsony anefa io fanondrotan-karama io, raha ny hevitr’i Mananandro Jean Raphaël, sekretera jeneralin’ny FISEMARE. Tokony hisy mihitsy ny fifampidinihana eo amin’ireo rehetra voakasika, ka hikajiana ny fandaniana rehetra mba hifanaraka ny vidim-piainana misy ankehitriny. Tsy tokony ho maimaika ny hanaovana izany, hoy hatrany ity mpitarika sendika ity, fa tokony hodinihina tsara mihitsy. Anaovany antso avo amin’ny mpiasa malagasy rehetra sy ireo mpampiasa izany, mba hifanohana amin’izy ireo sy amin’ireo sendika hafa, hiadiana ho an’izay tombontsoan’ny mpiasa izay.

Iray tapitrisa ariary fara-fahambaniny

Raha ny hevitr’i Mananandro Jean Raphaël dia tokony ho any amin’ny iray tapitrisa ariary any ho any ny karama farany ambany sahaza ny mpiasa Malagasy. Nandray ho ohatra ny zava-misy eny anivon’ny orinasa afak’haba izy. Raha misy hoy izy, orinasa izay sady mijoro eto no mijoro ao amin’ny nosy Maorisy, nahoana no tsy mitovy ny sandan’ny karama raisin’ny mpiasa ao aminy, nefa mitovy ny asa atao ? Nahoana no ambony karama kokoa ny mpiasa ao Maorisy ? Araka izany, tokony ho azo atao tsara ny mampisitraka io karama farany ambany io ny mpiasa Malagasy. Lasa ny ora ambony ampanga (heure supplémentaire), hoy hatrany izy no ivelomana eto amintsika, raha tokony ho ny vatan-karama no miantoka ny andavanandro. Izany rehetra izany, araka ny hevitry ny sekretera jeneralin’ny FISEMARE, no tokony hifampiresahana momba ny karama mahavelona.

Lire la suite

Articles Similaires