• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Polisim-Pirenena
Image
Vaovao

Hetsiky ny polisim-pirenena : 65 no voasambotra nandritra ny Krismasy

26/12/2023 14:55 © Moov.Mg

Halatra, hamamoana, tsy fahasalamana… Tranga maro no voarakitry ny mpitandro ny filaminana sy ny teny anivon’ny hôpitaly, nandritra ny roa andro nanamarihana ny fetin’ny Krismasy teo. Nisy 65 isa no voasambotry ny polisy, noho ireo antony voatanisa ireo. Somary nihena kosa, raha mitaha amin’ny tamin’ny taon-dasa, ny isan’ny niditra hôpitaly teny amin’ny CHUJRA Ampefiloha.

Halatra sy fidorohana

Polisy manodidina ny 2 000 isa no nahetsika hitandro ny filaminana, nandritra ny fankalazana ny fetin’ny Krismasy, tamin’ity taona ity, ho an’ny teto an-drenivohitra. Araka ny tatitra navoakan’ny polisim-pirenena dia 65 no isan’ireo voasambotra tao anatin’ny roa andro. Ny 30 tamin’ireo dia nanaovana fanadihadiana manokana. Niisa 12 kosa ireo nosamborina noho ny sinto-mahery sy fanendahana, 1 tratra namaky trano, 1 ihany koa tratra nangalatra niaraka tamin’ny fitaovam-piadiana, 4 no voasambotra noho ny halatra tsotra ary 2 tratra teo am-pikasana hangalatra. Momba ny fidorohana indray dia 12 no notanana am-balampamonjana, noho ny hamamoana an-dalam-be ary 3 nitondra sy nandray zava-mahadomelina. Ankoatra ireo, nisy trangana lozam-pifamoivoizana 4 voarakitry ny polisy, ka 3 naharatrana olona miisa efatra ary ny 1 nahasimbana fananana.

Fikasana hamono tena

Tao amin’ny Centre Hospitalier Universitaire Joseph Ravoahangy Andrianavalona (CHUJRA) Ampefiloha ihany koa, raha ny tatitra nomen’ny lehiben’ny sampandraharaha misahana ny seraserany, Rafiliposon Nathalie, dia nisy ireo niditra hôpitaly noho ny lozam-pifamoivoizana. Nisy 4 izany, ny andron’ny 24 desambra, tao amin’ny sampana Vonjy Taitra. Momba ny fidorohana dia lehilahy roa no noraisin’ny sampana Vonjy Taitra, ny 24 desambra ary olona 2 ihany koa ny 25 desambra, teo anivon’ny sampana Vonjy Aina. Fa isan’ny nisongadina, ankoatra izay, ny fisian’ireo olona nikasa ny hamono tena. Araka ny tatitra dia nisy vehivavy iray no niditra tao amin’ny sampana Vonjy Ainan’ny CHUJRA, tamin’ny andron’ny 24 desambra ary lehilahy 2 sy vehivavy 1, ny andron’ny krismasy 25 desambra.

Lire la suite

Articles Similaires