• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Meh
Image
Vaovao

Famatsiana herinaratra : Ho vita amin’ny fiandohan’ny taona ho avy ny tobim-pamokarana eny Ambohimanambola

26/12/2023 12:08 © Moov.Mg

Amin’ny volana janoary na febroary 2024 no vinavinaina ho vita tanteraka ny ny asa fananganana ny tobim-pamokarana herinaratra manana tanjaka 105 MW etsy Ambohimanambola, araka ny fampitam-baovaon’ny ministeran’ny Angovo sy ny Akoranafo.

Fahatapahan’ny herinaratra

Miaina ao anaty fahatapahan-jiro matetika, raha ny eto Antananarivo manokana, tato ho ato. Na nandritra ny andron’ny Krismasy aza dia nisedra izay fahatapahan-jiro izay ny teto an-drenivohitra sy ny manodidina. Araka ny nambaran’ny avy eo anivon’ny Jirama dia ny rotsak’orana sy ny rivotra no antony niteraka ny fahatapahan’ny herinaratra, nandritra ny faran’ny herinandro hatramin’ny omaly. Raha ny tanjon’ny Fitondram-panjakana kosa dia tokony hanafoana ny fahatapahan-jiro mifandimby ny fahavitan’ity tobim-pamokarana herinaratra ity, eto amin’ny Tambazotra Iraisan'Antananarivo (RIA). Heverina ihany koa fa tokony hampihena kokoa ny vidin-jiro izao fanatsarana tanterahina izao.

Milina miisa fito

Ny andrasana amin’izao fotoana izao dia ny fahatongavan'ireo milina (blocs moteurs) atsy amin'ny Nosy Maorisy. Miisa 7 izy ireo, izay samy manana tanjaka 15 MW isanisany, ary mandeha amin'ny solika mavesatra (HFO). Fiaramanidina lehibe (avion gros porteur), avy eo, no hitondra azy ireo mankaty Madagasikara. Araka ny fatatra dia ny Fanjakana Malagasy no miantoka tanteraka ny famatsiam-bola amin'ny asa fananganana ity tobim-pamokarana herinaratra 105 MW etsy Ambohimanambola ity. Momba ny fahatapahan-jiro vokatry ny andro ratsy kosa, dia nanamafy ny Jirama fa efa manao ny ezaka rehetra ho fanamboarana ny simba sy hitazonana ny famatsiana herinaratra sy rano ho marin-toerana.

Lire la suite

Articles Similaires