• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Prm
Image
Vaovao

Noely 2023 : Fety nilamina tsara amin'ny ankapobeny

25/12/2023 20:29 © Moov

Nilamina tamin'ny ankapobeny ny fetin'ny 24 sy ny 25 desambra 2023, raha ny teto Antananarivo manokana. Samy nanana ny fomba nankalazany ny fety ny rehetra, saingy ny hanimpitoloha no niraisan'ny besinimaro tany an-tokantrano tsirairay avy.

Famonjena toeram-pivavahana

Ho an'ireo kristianina dia ny famonjena fiangonana no tena nimasoana ho an'ny androany. Nilaharana tokoa ny toerana fikarakarana taovolo sy endrika hatramin'ny omaly satria te hanao metimety avokoa ireo tovovavy sy renim-pianakaviana. Saika feno hipoka avokoa ireo fiangonana teto an-drenivohitra. Maro no efa nanomana dabilio teny ivelany, handraisana ireo tsy tafiditra tao am-piangonana.
Ho an'ny filoham-pirenena Andry Rajoelina mivady sy ny zanany, teny amin'ny Akamasoa no nankalazan'izy ireo ny krismasy. Niara-niombom-bavaka tamin'ireo vahoaka sahirana eo ambany fiahian'ny mompera Pedro izy ireo. Tsy adino ny fizarana fanomezana.

Fiaraha-mikorana

Na ho an'ireo namonjy toeram-pivavahana na tsia, zava-dehibe tsy azo ihodivirana ny fiaraha-mikorana. Ny fiaraha-misakafo amin'ny ankohonana na amin'ny fianakaviana no tena imasoana amin'izany. Nanomboka ny zoma 22 desambra dia efa nilaharana ireo tranombarotra lehibe sy ireo mpivarotra sakafo isan-karazany. Nandeha ihany koa ny tsenan'ny akoho amam-borona sy ny hena. Tsikaritra fa niha-nitombo ireo mpivarotra "bûche de noel". Tsy vitsy ireo ankohonana nanjifa mofomamy nentina nanamarihana ny fety. Nahitana tolotra sahaza ho an'ny fahefa-mividy rehetra teny an-tsena. Ireo mofomamy tsotsotra dia nanomboka tamin'ny 5 000 ariary ny an'olona 6. Nisy nihoatra ny iray hetsy ariary kosa ny vidiny teny amin'ireo tranombarotra lehibe sy mpanamboatra mofomamy fantadaza.

Fampilalaovana ankizy

Naresaka tokoa ny teny Analakely androany tontolo, na dia teo aza ny orana. Maro ireo ray aman-dreny nisafidy ny hampilalao ny zanany manoloana ny lapan'ny tanàna. Ny faran'ny herinandro teo mantsy dia efa tafapetraka teny an-toerana ireo kilalao lehibe natao hampifalifaliana ireo ankizy. Tsy vitsy ireo nanomana vola mialoha mba hahafa-po ny zanany amin'izao andro fety izao.
Nandeha ihany koa ny tsenan'ireo mpaka sary satria te hahazo sary fahatsiarovana ireo ray aman-dreny nampilalao zanaka teny. Misy ireo mpaka sary efa niomana tamin'ny "imprimante" ka vita eo no ho eo ny sary. Io hariva io dia mbola maro ireo "nijery jiro" teny Antaninarenina.

Fitadiavam-bola

Fotoana fanararaotrana hitadiavam-bola ny fety toy izao. Hatry ny omaly alahady, tsy vitsy ireo mpivarotra no nisafidy hisokatra. Tsy nangina ny teny an-dalana satria mbola afaka nividy ireo entana ilainy amin'ny andavan'andro soa aman-tsara ny rehetra. Mbola nahitana mpivarotra akoho amam-borona, kilalao sy akanjo krismasy hatrany teny an-tsena rehetra teny. Tsy vitsy ireo nanararoatra nivarotra hanimasaka sy entana isankarazany ilaina amin'izao faran'ny taona izao. Ireo fiara fitateram-bahoaka moa dia nanohy ny asan'izy ireo hatrany, na somary nihena aza ny isany. Tsy nahitana olana ny fividianana fanafody satria nipetraka toy ny mahazatra ny "tour de garde" izay nalamin'ny holafitry ny farmasianina mialoha.

Lozam-pifamoivozana sy aretina

Tsy ilaozan'ny lozam-pifamoivozana sy ny aretina ny fety lehibe. Ny harivan'ny 24 desambra teo izao dia nisy lozam-pifamoivozana teny amin'ny Rocade, faritra Masay. Fiara 4x4 iray no voalaza fa nandona kodiaran-droa. Mikasika ny fahasalamana kosa, misy hatrany ireo tranga somary manahirana izay raisin'ny hopitaly sy toeram-pitsaboana samihafa. Anisan'ny mpahazo ny marary ny fanapoizinana ara-tsakafo (intoxication alimentaire) sy ny fisotroana toaka be loatra ka mety mahatonga ny "coma éthylique". Misy ihany koa ireo olona izay nisafidy ny namono tena, nefa nisy nahita ka mbola tsaboina eny amin'ny hopitaly. Nisy kosa ireo naratra noho ny ady madinidinika noho ny fahamamoana. Ny teny amin'ny HJRA dia nahatratra 100 ny isan'ireo nozahana ny alin'ny 24 desambra hatramin'ny marainan'ny 25 desambra.

Fialan-tsasatra

Misy ireo fianakaviana nisafidy ny haka rivotra any ambanivohitra na any amoron-dranomasina. Ny hialana amin'ny mahazatra sy hisitrahana fety miavaka no anton'izany. Niasa mafy tokoa ireo mpitatitra mampitohy an'Antananarivo amin'ireo renivohi-paritany enina. Tsy azo adinoina mantsy fa maro ireo mpianatra na mpila ravinahitra no mody mamonjy fianakaviana.
Azo antoka fa hihena ny fitohanan'ny fifamoivozana manomboka rahampitso.

Lire la suite

Articles Similaires