• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Micc
Image
Vaovao

Fisorohana ny fanapoizinana ara-tsakafo : Nidina ifotony ny kaomisera sy mpanara-maso ny varotra

22/12/2023 17:14 © Moov.Mg

Vanim-potoana fitrangan’ny fanapoizinana ara-tsakafo, vokatry ny sakafo efa lany daty na efa simba, ny fotoanan’ny fety tahaka izao. Ho fisorohana ny loza mety haterak’izany dia nidina nanara-maso ny teny amin’ny tsenan’Anosibe, ny kaomisera sy ireo mpanara-maso ny varotra sy ny fanjifana eo anivon’ny ministeran’ny Fampiroboroboana ny Indostria, ny Varotra ary ny Fanjifana.

Sakafo lany daty

Mitobaka ireo karazana sakafo anaty fonosana, rehefa fety tahaka izao ny andro. Misy amin’izy ireny no amidy mora, satria efa manakaiky ny daty farany azo ampiasana azy, na efa lany daty mihitsy aza. Be mpividy anefa izy ireny, satria amidy mora, mba anintonana ny mpanjifa handany azy haingana. Isan’ny fanentanana lehibe nentin’ny kaomisera sy ireo mpanara-maso ny varotra, araka izany, ny amin’ny tokony hijeren’ireo mpivarotra tsara ny datin’ireo entana amidiny. Nohamaffisina mihitsy, araka ny fanazavan-dRandrianarivony Herizo Mahefa, kaomiseran’ny varotra, ny fampianarana ireo mpivarotra ny fanaraha-maso ny daty, izay tokony atao foana amin’ireo entana, mba ho tsara kalitao sy manaraka ny fenitra hatrany izany, ho fiarovana ny mpanjifa. Isan’ny sakafo tena be mpividyrehefa fety mantsy ny vatomamy, ny biskoitra, ny lafarinina, ny menaka, ny siramamy… Nefa mety hiteraka aretina ny fanapoizinana entiny, rehefa tapitra ny fe-potoana ahafahana mihinana azy.

Fandaminana ny fitoeran’entana

Niompana tamin’ny fanentanana ireo mpivarotra mba hahay handamina tsara ny toerana fitobian’entany ihany koa, ny fidinana ifotony natao teny amin’ny tsenan’Anosibe. Misy entana tsy tokony hifangaro, hoy hatrany Randrianarivony Herizo Mahefa, toy ny savony sy ny sakafo, ohatra. Ankoatra izay dia namporisihina ireo mpivarotra mba hitandrina amin’ny fitahirizana ireo sakafo, indrindra ireo mila vata fampangatsiahaa, toy ny vokatra vita avy amin’ny ronono, izay mora mivadika. Ankoatra izay, dia nampahatsiahivina azy ireo ny amin’ny tokony hitsarana ny mizana, satria isan’ny mampimenomenona ny mpanjifa, ary tena mampiady matetika ny mpivarotra sy ny mpividy, ny momba ny fangalaran-danja ataon’ny mpivarotra. Tanjona ny hanaovan’ny rehetra fety sambatra, lavitry ny aretina sy ny loza ateraky ny fanapoizinana ara-tsakafo.

Lire la suite

Articles Similaires