• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Moov.Mg
Image
Vaovao

Fandraharahana : Hahena ho 20% ny tahan'ny vesatry ny tsy ara-dalana, hatramin’ny taona 2028

22/12/2023 13:10 © Moov.Mg

Mbola mila ezaka ny fanentanana ny Malagasy mba handoa hetra, na ny olon-tsotra, na ny mpandraharaha. Malaina mandoa hetra ny Malagasy amin’ny ankapobeny. Na izany aza, efa nisy ny ezaka nataon’ny Foibem-pitantanana ankapoben'ny hetra, araka ny nambaran’Andriamatoa Germain, tale jeneraliny, omaly.

Ivontoeram-pitantanana nankatoavina

Notsiahivin’ny Tale jeneralin’ny Foibem-pitantanana ankapoben'ny hetra (DGI), fa 46% ny vesatry ny sehatry ny tsy ara-dalàna amin'ny toekarem-pirenena ary tombanana ho any amin'ny 80% kosa ny vesatr'izany amin'ny sehatry ny asa. Iankinan-java-dehibe amin’ny toekaren’ny firenena, araka izany, ny fandoavana hetra. Na izany aza dia nanamarika Atoa Germain, fa tsy ny hetra loatra no tena laharam-pahamehan’ny Foibem-pitantanana ankapoben'ny hetra, fa ny haha-aradalàna ireo orinasa madinika sy salantsalany aloha. Mampalahelo mantsy, fa io habetsaky ny sehatra tsy ara-dalana eto amintsika io no isan’ny ahafantaran’ireo firenena hafa an’i Madagasikara. Mba hahatanterahana izany dia hametraka fiaraha-miasa amin’ny Ivontoeram-pitantanana nankatoavina, na ny "centre de gestion agréé" (CGA) ho an'ireo orinasa madinika sy salantsalany ny DGI.

Hetsika “Anjara hetrako”

Raha tsiahivina dia omaly no nampahafantarana tamin’ny fomba ofisialy ity ivon-toerana ity. Araka izany, homena alalana manokana ny CGA mba hanampy ny Fanjakana amin’ny fampanarahan-dalàna ireo orinasa madinika sy salantsalany. Raha tsiahivina dia telo taona izao no nanaovana ny hetsika “Anjara hetrako”, izay nifarana ny 15 desambra lasa teo. Tanjona tamin’ny fanatanterahana azy ity ny fanamorana ny fampidirana ireo mpandraharaha madinika sy tena madinika eo amin’ny sehatry ny ara-dalàna. Niampy 41.000 isa ireo mpandoa hetra, hatramin’ny volana oktobra 2020, izay nanombohana ny hetsika. Tanjona napetraky ny DGI, araka ny nambaran’Atoa Germain, ny hapihenana ny tahan'ny vesatry ny tsy ara-dalana ho 20% hatramin’ny taona 2028.

Lire la suite

Articles Similaires