• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Polisim-Pirenena
Image
Vaovao

Fetin’ny faran’ny taona : Hanetsika polisy maherin’ny 6.000 isa indray ny mpitandro ny filaminana

21/12/2023 19:39 © Moov.Mg

Efa asa mahazatra ny polisim-pirenena, isaky ny faran’ny taona, ny fanamafisana ny fitandroana ny filaminana, mba hahafahan’ny vahoaka malagasy mianoka ao anaty fety sambatra. Mbola ao anatin’ny fitandroana ny filaminana aorian’ny fifidianana izy ireo ankehitriny ary avy hatrany dia tohizina amin’ny fetin’ny faran’ny taona izany, araka ny nambaran’ny minisitry ny fiarovam-pirenena.

Tohizina ny paikady nahomby

Tsy niova ny paikady, hoy ny « inspecteur général de police » sady minisitry ny filaminam-bahoaka, Randrianarison Fano Rodlish. Izay efa nampiasaina ka nahomby, nandritra ny fitandroana ny filaminana tamin’ny fotoana nanatanterahna ny Lalaon’ny Nosy sy ny zotram-pifidinana teo ihany no hotohizina, ho an’ity fetin’ny faran’ny taona. Araka izany, polisy maherin’ny 6.000 no hidina an-kianja, hiaro ny vahoaka sy hitandro ny fandriampahalemana ho an’ny firenena, mandritra ny fetin’ny Krismasy, ny faran’ny taona sy ny taom-baovao. Hiasa daholo ihany koa ireo fitaovana, toy ny fiara sy ny môtô, hoy hatrany ny fanazavan’ny minisitra. Fa ny tena zava-dehibe dia tsy hiova ny isan’ny olombelona hanatanteraka ny asa. Hisy ihany koa ireo polisy vonjitaitra tsy manao fanamiana, handeha any anaty tanàna sy elakela-trano rehetra any.

Hetsika manerana ny Nosy

Ho an’ny eto Antananarivo renivohitra manokana, dia manamafy ny fandrindrana ny fifamoivoizana ny mpitandro ny filaminana, noho ny fitomboan’ny fitohanan’ny fiarakodia, izay mpitranga rehefa vanim-potoanan’ny fety toy izao. Maro mantsy ireo olona tonga miakatra eto Antananarivo, miantsena, hoy ny fanamarihan’ny minisitra Randrianarison Fano Rodlish, antony iray mampitombo ny fivezivezen’ny olona sy ny fitaovam-pitaterana. Fa tsy ny eto amin’ny Faritra Analamanga ihany anefa no hamafisina ny fitandroana ny filaminana, fa manerana ny Nosy mihitsy. Araka izany, nanentana ny vahoaka Malagasy manontolo ny minisitry ny filaminam-bahoaka, mba hanaraka ny fepetra apetraky ny mpitandro ny filaminana, ao anatin’izany fanatanterahan’izy ireo ny asany izany.

Lire la suite

Articles Similaires