• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Andry Rajoelina
Image
Vaovao

100 andro voalohan’ny fotoam-piasan’ny filoham-pirenena : Fanapahan-kevitra maro sahady no noraisina

21/12/2023 13:30 © Moov.Mg

Omaly no notanterahina ny Filan-kevitry ny Minisitra voalohany notarihin’ny Filohan’ny Repoblika Andry RAJOELINA, taorian’ny fianianana nataony tamin’ny sabotsy lasa teo. Efa nisy sahady ireo fanapahan-kevitra noraisina, mifandraika amin’ireo andry 3 napetraky ny filoha vao voapetraka, mba hitantanany ny firenena ho amin’ny 5 taona manaraka indray.

Andry telo iorenan’ny fitantanana

Araka izany dia ny fanamafisana ny momba ireo andry 3 iorenan’ny fomba fitantanana ny firenena, araka ny vina napetrany, no nanombohan’ny filoha Andry Rajoelina ny dinika niarahany tamin’ireo mpikamban’ny governemanta, omaly alarobia 20 desambra 2023. Tsy inona izany fa ny fampandrosoana ny mahaolona sy ny fanaovana laharam-pahamehana ny lafiny sosialin’ny vahoaka malagasy ; ny fampiroboroboana ny indostria sy ny famoronana asa ary ny fametrahana Fanjakana tsara tantana, amin’ny alalan’ny fanavaozana ny rafi-pitantanana ny asam-panjakana sy ny ady amin’ny kolikoly. Mba hahafahana manatanteraka ireo dia tsy maintsy hisy ny fiovana sy rafitra vaovao izay hatsangana, mifanaraka amin’ny fanatanterahana ireo vina ireo sy mba ahafahana manafaingana ny asa ihany koa.

Fitsinjovana ireo tena sahirana

Efa fomba fanao mahazatra, raha vao vita toy izao ny fianianan’ny filoham-pirenena, ny mametraka ny 100 andro voalohany hiasany, ho toy ny taratry ny fotoam-piasany manontolo. Ho an’ny filoha Andry Rajoelina dia fepetra hentitra no noraisiny, toy ny fahafahan’ny renim-pianakaviana rehetra misitraka fanabeazana aizana maimaim-poana eny amin’ny hopitalim-panjakana rehetra manerana ny Nosy ; ny fampiofanana ireo olona avy amin’ny tokantrano tena sahirana, momba ny fambolena sy ny fiompiana manaraka ny teknika « PFUMVUDZA ». Miaraka amin’izay dia homena tany hahafahana manangana trano sy tanim-boly ihany koa izy ireo, ao anatin’ny tetikasa « titre vert ». Araka ny tatitry ny filàn-kevitry ny minisitra dia efa hita ny tany hanaovana izany tetikasa izany ary hirosoana avy hatrany ny fifantenana ireo hisitraka izany. Hisy ihany koa ny fiaraha-miasa amin’ny mpiara-miombon’antoka avy any ivelany, hanaovana ny fampiofanana sy hananganana trano « préfabriqué » ho an’ireo fianakaviana tena marefo ireo. Hiparitaka manerana ny Nosy ity tetikasa ity.

Fanatsarana ny Fokontany

Fanapahan-kevitra hafa noraisin’ny filoham-pirenena sy nampitaina tao anatin’ity filàn-kevitry ny minisitra ity ny fanatsarana ny fomba fiasa eny anivon’ny Fokontany. Hotohizina, noho izany ny fanaparitahana manerana ny Nosy, ny fanavaozana ara-haitao ara-kajy mirindra ny karinem-pokontany. Efa misy ny drafitra fitsinjarana momba izany, ka hanomboka avy hatrany amin’ny volana janoary ho avy izao ny asa. Momba ny fitantanana eny anivon’ny Fokontany dia hisy ny fanavaozana ny biraom-pokontany ary hapetraka ny komity Loharano, izay handrindra ny lafiny ara-tsosialy sy ara-piarahamonina. Isan’ny hofidiana ho mpikambana ao anatin’io Komity io ireo mpiasam-panjakana misotro ronono, avy amin’ny sehatra samihafa, sy ireo Ray aman-dReny eny anivon’ny Fokontany, araka ny toromariky ny filoham-pirenena.

Fiakaran’ny vidim-piainana

Manoloana ny fiakaran’ny vidim-piainana dia tsy niova ny tetik’ady, raha ny momba ny vary manokana. Hentitra ny baikon’ny Filohan’ny Repoblika, araka ny tatitry ny filàn-kevitry ny minisitra, ny amin’ny hanampiana ny vahoaka amin’ny alalan’ny fivarotana vary mora. Hatao ihany koa ny ezaka rehetra mba tsy hampihen-danja be loatra ny sandan’ny Ariary. Etsy an-daniny, hojerena ireo karazana fanofanana azo atolotra ny tanora sy ny vehivavy ary hapetraka ny drafitra nasionaly momba ny fanofanana arak’asa. Ankoatra izay, hotohizina ary hohatsaraina ny fanomezana masomboly sy zezika ho an’ny tantsaha. Taorian’ity filàn-kevitry ny minisitra ity moa dia nametra-pialana ny Governemanta am-perinasa, saingy manohy ny fampandehanan-draharaha ihany ireo mpikambana ao anatiny, mandrapijoron’ny governemanta vaovao.

Lire la suite

Articles Similaires