• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Ministeran'Ny Kolontsaina
Image
Vaovao

Eglizy katôlika Ambodifotatra : Miroso ny dingana hampidirina azy ho harembakoka maneran-tany

20/12/2023 19:36 © Moov.Mg

Tetikasan’ny Ministeran’ny Serasera sy ny Kolontsaina ny fampidirana ny « Misiôna Katôlika » ao anatin'ny lisitry ny harembakoky ny Fanabeazana sy ny Siansa ary ny Kolontsaina (UNESCO). Isan’izany ny eglizy katôlika Notre Dame de l'Assomption Ambodifotatra, any amin’ny Nosy Boraha na Sainte Marie.

Fakan-kevitry ny daholobe

Anisan'ny trano vato voalohany niorina teto Madagasikara, tamin’ny taona 1837, ny fiangonana katôlika Notre Dame de l'Assomption Ambodifotatra. Tamin’ny taona 1987 no nisy fanatsarana natao taminy, ary ny taona 2021 indray vao nisy fanavaozana, izay noraisin’ny ministeran’ny Kolontsaina sy ny Serasera an-tanana. Voasokajy ho harem-bakom-pirenena (patrimoine national) mantsy ity eglizy katolika ity, araka ny didim-panjakana laharana 83-170 ny 17 mey 1983. Omaly talata 19 desambra 2023 kosa dia nisy ny fakan-kevitry ny daholobe teny ifotony hampankatoavana ny tetikasa hampidirana azy ity ao anatin'ny lisitry ny harembakoky ny UNESCO. Nitarika ireo delegasionina tany an-toerana ny Talen'ny Kabinetran'ny minisitera, Haja RASOANARIVO, niaraka tamin'ny Sekretera Jeneralin'ny vaomieram-pirenen'ny UNESCO eto Madagasikara, Manda RAVELOJAONA sy ny Tale Jeneralin'ny Kolontsaina, Francis RAZAFIARISON ary ireo teknisianina mikirakira ny tetik'asa. Teo koa ny Talem-paritry ny Serasera sy ny Kolontsainan’ny Faritra Analanjirofo, Berthieu RATSIMBAZAFY.

Fanadihadiana mialoha

Raha tsiahivina dia efa nisy ihany koa, tamin’ny volana martsa 2022, ireo manam-pahaizana avy amin’ny ICOMOS (International Council of Monuments and Sites), nijery sy nanao ny fanadihadiana mialoha, mba hijerena raha manana ilay antsoina hoe : « Valeur Universelle Exceptionnelle » ny fiangonana Notre Dame de l'Assomption, ka hahafahana mampiditra azy ao anaty lisitry ny harem-bakoka maneran-tany amin’ny maha-vakoka azy. Ny faran’ny volana jolay taorian’io no tonga tany Sainte-Marie ireo manam-pahaizana eo anivon’ny UNESCO, nanohy ny dingan’ny fanadihadiana. Efa hatramin’ny volana novambra 2021 moa no nisy ny dinika efa nifanaovan’ny ministera tamin’ny CPM (Comité du Patrimoine Mondial) eo anivon’ny UNESCO. Izao mitohy izao hatrany ny dingana hampidirina ao anatin’ny lisitry ny harembakoka maneran-tany an’ity fiangonana katôlika ity any amin’ny Nosy Boraha ity.

Lire la suite

Articles Similaires