• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Tily Eto Madagasikara
Image
Vaovao

Fanabeazana skoto : Feno 99 taona androany ny Tily eto Madagasikara

20/12/2023 13:02 © Moov.Mg

Mankalaza ny faha-99 taona nijoroany androany ny skoto zazalahy protestanta, fantatra amin’ny anarana hoe : Tily eto Madagasikara. Efa ao anatin’ny fanomanana sahady ny faha-100 taonany ihany koa ny fikambanana ankehitriny.

Fanorenana tontolo tsara kokoa

Ny Tily dia fikambanana skoto zazalahy « unionistes », miorina amin’ireo fiangonana FJKM, FLM, EEM, METM ary FMTA eto Madagasikara. Ny didim-panjakana nivoaka ny 20 desambra 1924 no mamaritra ny fisian’ity fikambanana mijoro eo anivon’ireo fiangonana protestanta eto Madagasikara ity. Mamolavola ireo zazalahy mba handray anjara amin’ny fanorenana tontolo tsara kokoa ny fanabeazana omen’ny Tily. Sehatra iray azon’ny tanora andraisana anjara amin’ny Tanjon’ny Fampandrosoana Lovainjafy rahateo ny skotisma. Araka izany, hatramin’ny fiandohany dia efa namolavola mpitarika malagay amin’ny sehatra maro lafy ity fikambanana ity. Isan’izany ny profesora Ratsimamanga, izay isan’ny skoto malagasy voalohany, ny mpitandrina Ramino Paul, ny mpanoratra Georges ANDRIAMANANTENA, na Rado, sy ny maro hafa.

Fanabeazana ho olona feno

Maherin’ny 23 000 isa amin’izao fotoana izao ny mpikambana ao anatin’ny Tily manerana an’i Madagasikara. Araka ny sori-dalana napetrak’i Baden Powel, izay namorona ny skotisma maneran-tany, dia beazina sy kolokoloina amin’ny maha-olona feno azy izy ireo, hahatonga azy ireo ho tanora vavolombelon’i Jesoa Kristy, olom-pirenena vanona ary andrin’ny fianakaviana. Hankalaza ny faha-100 taona nijoroany ny Tily eto Madagasikara amin’io taona 2024 ho avy io. Ny sabotsy 27 janoary no hanokafana izany amin’ny fomba ofisialy, amin’ny fomba manetriketrika, ao amin’ny Lapan’ny Kolontsaina sy ny Fanatanjahantena Mahamasina. Mandritra ny taona dia hisy hatrany ny asa soa hotanterahin’ny mpikambana, manerana ireo Faritra rehetra eto Madagasikara. Ny 1 hatramin’ny 5 aogositra kosa dia hanatanteraka lasy lehibe ny Tily eto Madagasikara, izay hanasongadinana ny fiainam-pinoana, ny fanabeazana ho amin’ny fiadanana, ny fiarovana ny tontolo iainana ary ny asa sosialy.

Lire la suite

Articles Similaires