• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Moov.Mg
Image
Vaovao

Fiangonana katôlika eto Madagasikara : Nanazava ny fanambaran’i Vatican izay niteraka resa-be

19/12/2023 19:37 © Moov.Mg

Tsy afaka ny nangina fotsiny ny fiangonana katôlika, manoloana ny resaka mifamahofaho, naterak’ilay fanambarana navoakan’i Vatican. Maro mantsy ny hevitra tsy azo tao anatin’izy iny, ka nitondra fanazavana tamin’ny alalan’i mompera Rafanomezantsoa Séraphin, sekreteran’ny fandrindrana eo anivon’ny fivondronamben’ny Eveka eto Madagasikara, ny Eglizy Katôlika Romanina (EKAR) eto amintsika.

Tsy manilika na iza na iza

Fanamafisana izay efa voalazan’ilay lahatsoratra fanambarana, nampitondraina ny lohateny hoe : « Fiducia supplicans », no tena vontoatin’ny fanazavana nentin’ny mompera Rafanomezantsoa Séraphin. Nanamafy izy fa tsy midika ho fanekena ny fiarahan’ireo mitovy fananahana mihitsy ny fanomezana tsodrano azy ireo. Tsy ilay fiarahan’ny olona mitovy fananahana mantsy no notsindrian’ny papa Ray Masina ao anatin’ilay fanambarana, fa ilay olona amin’ny maha-olona azy, izay manana olana ka mila ny eglizy ary mila ny famindram-po sy ny fahasoavan’Andriamanitra, hoy ny fanazavany. Tsy hisy mihitsy, araka izany, ny fankatoavan’ny EKAR ny fiarahan’ny olon-droa mitovy fananahana, satria tsy mifanaraka amin’ny foto-pampianaran’ny fiangonana katôlika momba ny sakramentan’ny mariazy izany. Nambaran’ity pretra ity kosa anefa, fa tsy manilika na iza na iza ny fiangonana katôlika, satria mandray ny olona rehetra Andriamanitra, na manahoana na manahoana ny fironam-pananahany.

Manaraka ny vanim-potoana

Amin’ny ankapoeny moa dia noraisin’ny olona ho toy ny fanapahan-kevitra vaovao noraisin’i Vatican ity fanomezana tsodrano ny mpifankatia mitovy fananahana ity. Notsindrian’ny mompera Rafanomezantsoa Séraphin anefa fa tsy zava-baovao akory ity fampianaran’ny eglizy katôlika ity, fa ny zava-baovao dia ny nanambaran’ny Papa azy am-pahibemaso. Efa foto-pampianaran’ny fiangonana katôlika hatramin’izay mantsy ny fandraisana ny olona rehetra. Tsy misy, hoy hatrany izy, ny afaka hanakana ny olona tsy handray ny fahasoavan’Andriamanitra, amin’ny alalan’ny eglizy, raha toa ka inoany izany. Ary tsy natao hitsara azy ireny ny fiangonana, fa Andriamanitra mahalala izay hamonjeny ny olona tsirairay. Tsy niova mihitsy ny fampianaran’ny fiangonana katôlika, hoy ity pretra ity, fa ny vanim-potoana no samy hafa ary ampifanarahana amin’izay ny fomba fampianaran’ny fiangonana. Manoro ny lalana tokony alehan’ny olona no anjara asan’ny eglizy katôlika ary izay no ampianarin’ny papa ao anatin’io lahatsoratra io.

Lire la suite

Articles Similaires