• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Drsp Anosy
Image
Vaovao

Amboasary Atsimo : Ankizy sy vehivavy 1 250 isa, omena tohana sakafo mafana

19/12/2023 16:14 © Moov.Mg

Anaovana hetsika fizarana sakafo mafana any amin’ny distrikan’Amboasary Atsimo, Faritra Anosy, nanomboka omaly. Antony ny fisian’ny trangana tsifanjariantsakafo, izay tena mbola mamely mafy any an-toerana, vokatry ny tsy fahampian’ny rotsakorana sy hain-tany.

Sakafo mafana isan’andro

Araka ny tatitra farany navoakan’ny rafitra IPC (Integrated Phase Classification) dia mponina 458 860 monina any amin’ny tapany Atsimon’i Madagasikara no mety hiaina ao anaty tsifanjariantsakafo, raha tsy misy ny fanampiana omena azy ireo, hatramin’ny volana aprily 2024. Ny 121 172 dia ankizy, izay mety ho tratran’ny tsifanjariantsakafo mahery vaika ary ny 29 500 kosa dia vehivavy mampinono. Ankizy sy renim-pianakaviana manodidina ny 1 250 isa, noho izany, no misitraka sakafo mafana isan’andro, mandritra ny 20 andro, hetsika izay karakarain'ny fisorohana sy fanohanana ny hamehana (Cellule de Prévention et d’appui à la Gestion des Urgences # CPGU) eo anivon’ny Fiadidiana ny Praiminisitra. Araka ny fampitam-baovao dia miisa 500 ireo reny bevohoa sy mampinono ary zaza, izay raisina an-tanana eo anivon’ireo ivon-toerana fikarakarana ireo tratran’ny tsifanjariantsakafo isan’ambaratongany (CRENI, CRENAS sy CRENAM).

Fampisakafoanana an-tsekoly

Misy ihany koa ny tohana omena ireo mpianatra, amin’ny alalan’ny fampisakafoanana an-tsekoly (cantine scolaire), ka ankizy miisa 750 ao Amboasary Atsimo no misitraka izany. Vary sy voamaina ary hena no atolotra ho azy ireo amin'izany. Manohana ny CPGU amin’ity hetsika ity ny tetikasa ARC (African risk Capacity), iarahana amin'ny minisiteran'ny Fahasalamam-bahoaka sy ny Ofisim-pirenena ho an’ny Fanjariantsakafo (ONN). Ny « cantine scolaire » kosa dia iarahana miasa amin’ny Ministeran’ny Fanabeazam-pirenena. Tanjona ny hampitombo hery sy fahasalamana ary hanafainganana ny fitsaboana ireo zaza tratran’ny tsifanjariantsakafo raisina an-tanana eny anivon’ny CRENI, CRENAS sy CRENAM. Ho an’ny mpianatra kosa dia kendrena ny hanatsarana ny taham-pahavitrihan’izy ireo, hampihenana ny tahan’ny fialana an-daharana sy hanatsarana ny fahasalaman'izy ireo.

Lire la suite

Articles Similaires