• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Magicmaman
Image
Vaovao

Fanambaran’i Vatican : Manaiky ny fanambadian’ireo mitovy fananahana ve ny Katôlika ?

19/12/2023 10:02 © Moov.Mg

Namoaka fanambarana miteraka resa-be ny Dikastera momba ny fampianaram-pinoana ao Vatican. «Fiducia supplicans » (« Fitokisana mihanta », raha adika tsotsotra) no lohatenin’izany, izay miompana amin’ny fahafahan’ireo mpitondra fivavahana katôlika mitsodrano ireo « mpifankatia tsy ara-dalàna ».

Tsy sakramentan’ny mariazy

Misy ny taitra, tohina sy sorena ; ao kosa ireo faly sy nankasitraka, raha nahalala ny vontoatin’ity fanambarana navoakan’i Vatican ity. Taratasy misy takila folo mahery izy ity ary voadika amin’ny tenim-pirenena dimy. Raha fintinina izay voalaza ao anatiny dia toy izao : azon’ireo mpitondra fivavahana katôlika atao ny manome tsodrano ho an’ireo mpifankatia tsy ara-dalàna. Tafiditra ao anatin’izany ireo nisara-panambadiana ary niverina nanambady indray sy ireo mpifankatia mitovy fananahana. Nanipika ity fanambarana ity, fa tsy tokony hifangaro amin’ny fanamasinana ny fanambadiana kristianina, na ilay antsoin’ny katôlika hoe : sakramentan’ny mariazy, io fanomezan-tsodrano ankatoavin’ny Papa Fransoa io. Araka izany, tsy atao ao anaty lamesa, tsy amin’ny andro hanatanterahana ny fisoratam-panambadiana ihany koa, ho an’ireo firenena manaiky ny fanambadian’ireo mitovy fananahana. Na ny akanjo sy ny endrika ivelany itondrana azy aza, dia tsy tokony hisy fitoviana amin’ny fanamasinana mariazy katôlika mihitsy.

Fanamafisana ny fampianaram-pinoana

Raha ny tena marina, tsy zava-baovao vao noforonin’ny Fiangonana katôlika ity fanomezan-tsodrano ity, fa fanamafisana sy fanazavana bebe kokoa ny fampianaran'ny Fiangonana Katôlika, manoloana ny tokony handraisan’ny fiangonana ireo mpifankatia sokajiana ho tsy ara-dlàna. Efa nitsodrano olona sy zavatra foana ny Fiangonana Katôlika hatramin'izay, na amin'ny fotoana inona ary na amin'ny toerana aiza. Tsy mahazo mandà izay mangataka tsodrano aminy rahateo ny mpitondra fivavahana katôlika. Ny fahamendrehana maha-olona, hoy ny fanambarana, no ankatoavina, fa tsy misy fanovana entina mihitsy eo amin’ny fampianaram-pinoana katôlika momba ny fanambadiana.

Fisokafan’ny fiangonana katôlika

Miteraka fanehoan-kevitra maro, eran-tany sy eto Madagasikara, ity fanambarana ity, satria misy ireo mandray azy ho toy ny dingana fankasitrahan’ny fiangonana katôlika ny fanambadian’ireo mitovy fananahana. Tsy misy fomba mazava tsy maintsy arahin’ny mpanome tsodrano rahateo, fa araka izay hitan’ilay mpitondra fivavahana fa mety no anatanterahany azy, rehefa tsy mitovy endrika amin’ny fanamasinana fanambadiana katôlika fotsiny. Misy kosa ireo mankasitraka ity fanambarana ity, izay ahitana taratra ny fiezahan’ny Papa Fransoa ny hisokatra amin’ny zava-misy manerana izao tontolo izao, fa tsy mionona amin’ny fomba fijery efa lany andro fotsiny. Vao tamin’ny 14 desambra lasa teo koa moa ny Dikastera momba ny fampianaram-pinoana ao Vatican no nampahatsiahy ireo mpitondra fivavahana katôlika, mba hamela ireo vehivavy niteraka tsy manambady handray kômonio sy hampanao batemy ny zanany, raha misy ireo pretra no mandà izany.

Lire la suite

Articles Similaires