• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Antenimierandoholona
Image
Vaovao

Jeneraly Ravalomanana : Niverina nandray ny toerany eny Anosikely

18/12/2023 18:33 © Moov.Mg

Rehefa tafapetraka soa aman-tsara tamin’ny toerany, amin’ny maha-filohan’ny Repoblikan’i Madagasikara azy Rajoelina Andry, dia tsy mitazona ny toerana maha-filoham-panjakana vonjimaika azy intsony ihany koa ny Jeneraly misotro ronono, Ravalomanana Richard.

Filoham-panjakana mpisolo toerana

Androany no niverina nandray ny andraikitra maha-filohan’ny Antenimierandoholona azy ny Jeneraly Richard Ravalomanana. Ny 27 oktobra 2023 ka hatramin'ny 16 desambra 2023, no nipetrahany teo amin’ny toeran’ny filoham-panjakana, araka ny fanapahana laharana faha 19-HCC/D3 navoakan'ny Fitsarana Avo momba ny Lalam-panorenana. Raha iverenana ny tantara, dia ny zoma 08 septambra 2023 no nametrahana azy ho Loholon’i Madagasikara, araka ny didy navoakan'ny Fitsarana Avo Momba ny Lalampanorenana tamin'ny 06 martsa 2023, noho ny fahabangan’ny toeran'ny Loholona iray eo anivon'ny Antenimierandoholona, taorian'ny nanendrena ny Loholona Randriamanantenasoa Landy Mbolatiana ho minisitry ny Fitsarana.

Akaikin'ny filoha Andry Rajoelina

Rehefa naongan’ireo loholona kosa ny filohan’ny Antenimierandoholona teo aloha, Razafimahefa Herimanana, dia nirosoana ny fifidianana izay hisolo azy, tao anatin’ny fivoriana tsy ara-potoanan’ireo Loholona, teny amin’ny lapan’Anosikely, ny 13 oktobra 2023. Ny jeneraly Ravalomanana Richard no kandidà tokana nirotsaka tamin’izany ary lany 100% izy. Io fahalaniany io no nitondra azy teo amin’ny toeran’ny filoham-panjakana mpisolo toerana, nony avy eo. Raha tsiahivina dia mpanolotsaina manokan'ny Filoham-pirenena no andraikiny farany, talohan’izany fanendrena azy izany. Efa sekreteram-panjakana miadidy ny zandarimariam-pirenena ihany koa izy ary anisan'ireo mpiara-miasa akaiky amin'ny filoha Andry Rajoelina, efa hatramin'ny fitondrana tetezamita. Dia izao izy tafaverina ho filohan’ny Antenimierandoholona izao indray.

Lire la suite

Articles Similaires