• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Moov.Mg
Image
Vaovao

Fahaleovan-tena ara-tsakafo : tokony ho afaka miara-miaina ny fambolena sy ny zava-manan’aina

18/12/2023 15:28 © Moov.Mg

Maherin’ny 250 000 ny isan’ny karazanjavamananaina misy eto Madagasikara, izany hoe : ny 5%-n’ny zava-maniry sy ny biby maneran-tany dia eto amintsika avokoa no ahitana azy. Efa ao anatin’ny hamehana tanteraka isika izao amin’ny fiarovana azy ireo, satria mihalany tamingana ireo zava-manan’aina misy eto amintsika. Isan’ny mitarika ny fahasimbany ny fomba famokarana mahazatra ny mpamboly malagasy.

Paikady manokana

Madagasikara, ny Repoblika demôkratika entim-bahoakan’i Lao ary i Ouganda no firenena telo voasafidy hisitraka ny tetikasa FMM (Mécanisme Flexible Multipartenaire). Ho an’i Madagasikara manokana dia miompana amin’ny « Fampidirana ny karazanjavamananaina amin’ny sehatry ny famokarana » no iompanan’ity tetikasa ity. Notontosaina androany teny Anosy ny atrikasa nanolorana ireo fehin-kevitra entina manatanteraka azy, natrehin’ny Minisitry ny Tontolo iainana sy ny Fampandrosoana Lovainjafy, VINA Marie-Orléa ; ny minisitry ny Fambolena sy ny Fiompiana, RAMILISON Harifidy, ny minisitry ny Jono sy ny Toekarena Manga, MAHATANTE Paubert ary ny solontenan’ny Sampan-draharahan'ny Firenena Mikambana momba ny Sakafo sy ny Fambolena (FAO) eto Madagasikara, Comores, Maurice ary Seychelles, Charles BOLIKO. Nifantoka tamin’ny fametrahana paikady manokana hisorohana ny fahapotehan’ny karazanjavamananaina, vokatry ny fampiharana ny fomba fambolena tsy manaraka ny fenitra, sy hanamafisana ny fampidirana ny mahakasika ny karazanjavamananaina ao anatin’ny politika sy ny fomba fambolena eto amintsika, izany atrikasa izany.

Fambolena manaja ny tontolo

Tantsaha avokoa ny 80%-n’ny Malagasy, hoy ny minisitra VINA Marie-Orléa, ka tokony ho afaka miara-miaina ny fambolena sy ny zava-manan’aina. Tanjona, araka izany, ny hampahafantarana ireo mpamboly ny momba ny fomba fambolena manome lanja kokoa ny tontolo iainana. Rehefa potika mantsy ny tontolo iainana dia potika ihany koa ny tany ary ratsy ny vokatra. Laharam-pahamehana ho an’ny Fitondram-panjakana anefa ny fampahaleovan-tena ara-tsakafo, hoy hatrany ny minisitra, ka fomba hahafahana manatratra izany ny fampifandraisana ny fambolena amin’ny fanajana ireo karazanjavamananaina. Zava-dehibe, noho izany, ny fampandraisana andraikitra ny mpamboly. Asa hotanterahina ny fizarana ireo fomba fambolena manaja ny tontolo iainana tsara alain-tahaka ary ny fametrahana tetiandro ho fampiharana ny fampidirana ny karazanjavamananaina amin’ny fomba famokarana eto Madagasikara.

Lire la suite

Articles Similaires