• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Tvm
Image
Vaovao

Hetsika Tselatra : 255 isa ny dahalo voasambotra

18/12/2023 13:39 © Moov.Mg

Nahitam-bokany ireo hetsika nataon’ny Tafika Malagasy tamin’ity taona ity, araka ny tatira nataon’ny lehiben'ny Etamazaoron'ny tafika, ny Jeneraly Sahivelo Lala Monja Delphin, tao amin’ny haino aman-jerim-panjakana, omaly. Niisa roa izy ireo, dia ny hetsika « Tselatra », sy ny hetsika « Lopingo ».

Ady amin’ny halatr’omby

Manana tanjona ny hampandry fahalemana ny firenena, mialoha, mandritra ary aorian’ny fifidianana, ny hetsika Tselatra. Tafiditra ao anatin’izany ny fanafoanana ny fikambanan-jiolahy, ny fampandrian-tany iadiana amin’ny halatromby any an-tany lavitra ary ny hamehezana ireo faritra mena, mba hahafahan’ny mponina miaina am-pilaminana. Fari-piarovana sy Filaminana (ZDS) miisa 10 manerana ny Nosy no mandray anjara amin’ity hetsika Tselatra ity, izay mbola tsy mifarana, fa mbola mitohy ny fitandroana ny filaminana amin’izao vanim-potoana aorian’ny fifidianana izao. Ny hetsika faharoa kosa dia nomena any anarana hoe : Lopingo, iarahan’ny zandary, polisy ary tafika mivondrona ao amin’ny EMMO-NAT manatanteraka. Mbola eny an-kianja ireo voakasik’izany ankehitriny. Nitatitra ireo antontan’isa nisongadina nandritra ny hetsika Tselatra ny jeneraly Sahivelo Lala Monja Delphin lehiben’ny Etamazaoron'ny tafika.

Mamay ny fakana takalon’aina

Nisy 584 ny trangana fanafihan-dahalo nisy tao anatin’ity hetsika Tselatra ity. Niisa 11 418 ny omby lasan’ny dahalo nandritra izany, ka efa tafaverina amin’ny tompony ny 6 397 amin’ireo. Nisy fitaovam-piadiana tratra tao anatin’izany fampandrian-tany izany, ka 68 no basy ary 38 no fitaovam-piadiana hafa. Nisy ihany koa ny dahalo voasambotra, izay nisy 255 ary 218 no namoy ny ainy tao anaty fifandonana tamin’ny mpitandro ny filaminana. Namoizana miaramila ihany koa anefa ny hetsika natao, ka nisy 5 no namoy ny ainy tao anaty fifandonana, raha nisy 9 kosa no naratra. Tamin’ireo olon-tsotra nanampy ny mpitandro ny filaminana dia 66 no maty ary 86 no naratra. Momba ny takalon’aina dia tranga 168 no nampahafantarina ny mpitandro ny filaminana, ka ny 146 tamin’ireo no avotra soa aman-tsara. Nanamarika moa ny jeneraly Sahivelo Lala Monja Delphin fa mbola tena mamaivavy amin’izao ity resaka takalon’aina ity any amin’ny Faritra Anjozorobe.

Lire la suite

Articles Similaires