• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Andry Rajoelina
Image
Vaovao

Fintim-baovao : Ireo vaovao nisongadina ny 11 hatramin'ny 17 desambra 2023

18/12/2023 09:33 © Moov

Araho indray ireo vaovao nisongadina tamin'iny herinandro lasa iny, ny 11 hatramin'ny 17 desambra 2023

Andry Rajoelina # Nahavita fianianana

Tontosa tao anaty filaminana tanteraka ny lanonam-pitsarana ampahibemaso nandraisana ny fianianan'ny filoha lanim-bahoaka Andry Rajoelina. Tamin'ny 10 ora maraina no nanomboka ny fotoana, ary tamin'ny 12 ora teo ho eo no nifarana. Naverin'ny HCC notononina ny voka-pifidianana azo tamin'ny latsa-bato tamin'ny 16 novambra sy ireo fehezan-dalàna rehetra mankato izany. I Andry Rajoelina izany no mitondra an'i Madagasikara indray mandritra ny 5 taona, izay tsiahivina fa "mandat" faharoa no ataony.
Vory lanona ireo vahoaka marobe, ireo mpikambana ao amin'ny Governemanta, ny FFKM, ny depiote sy ny loholona, ny Tafika Malagasy, ary indrindra ireo filoham-pirenena sy solontenam-panjakana avy any ivelany.

Andry Rajoelina # Hifantoka amin'ny fanatsarana ny fiainam-bahoaka

Nanana anjara fitenenana ny filoha vaovao Andry Rajoelina taorian'ny fianianany tamin'ny sabotsy lasa teo. Nambarany tamin'izany fa hanohy ireo asa fampandrosoana rehetra efa natombony ny tenany. Misy ihany koa nefa ireo tetikasa vaovao ho tanterahina, indrindra hitsinjovana ny sosialim-bahoaka. Hisitraka fampiofanana ireo vehivavy mba hampitomboana ny fidiram-bola ao an-tokantrano. Hisy teti-bola manokana ihany koa hanamafisana ny fanentanana ny amin'ny fampiasana fandrindram-piterahana. Anisan'ny heverina fa hanatsara ny sosialim-bahoaka ihany koa ny fanatsarana ny fandraisana eny anivon'ireo biraom-panjakana rehetra, sady hanafoanana tanteraka ny kolikoly.

Famokarana herinaratra sy famatsian-drano # Tsy hiankindoha be intsony amin'ny JIRAMA ny Fanjakana

Efa miroso tsikelikely ny ezaka amin'ny fanafoanana ny "délestage" sy ny fahatapahan-drano manerana ny Nosy. Araka ny nambaran'ny filoham-pirenena Andry Rajoelina, hifantoka bebe kokoa amin'ny fanodinana ny angovo azo havaozina ny Fanjakana Malagasy. Ao anatin'ny enim-bolana monja dia distrika miisa 47 be izao no hametrahana "parcs solaires". Tsy adino ny fizarana jiro mandeha amin'ny herin'ny masoandro ho an'ireo tokantrano mila izany, indrindra fa ireo fianakaviana marefo.
Marihana fa mbola mitohy ihany koa ny fametrahana "pipeline" mba hamatsian-drano ny any Atsimon'ny Nosy.

Collectif des candidats # Tsy tontosa ny hetsika

Tamin'ny fiandohan'ny herinandro lasa iny dia efa niomankomana tamin'ny fidinana an-dalambe indray ireo mpomba ny Collectif des candidats. Efa nalaza tamin'ny haino amanjery sy ny tambazotran-tserasera Facebook mantsy fa hiverina indray ny tolona ary hihamafy izany. Maro no nihevitra fa tsy ho tanteraka ny fianianana teny Mahamasina. Nangina tanteraka nefa ireo kandida miisa 11 mivondrona, sady tsy nanome vaovao mihitsy mikasika ny tolona. Ny teny amin'ny kianjan'ny 13 may moa dia rakotra mpitandro ny filaminana hatrany isan'andro. Andrasana izay mety ho tohin'ny hetsika.

Hery Rajaonarimampianina # Mitarika ny fitsirihana mikasika ny fifidianana any RD Congo

Ny filoham-pirenena Malagasy teo aloha, Hery Rajaonarimampianina, no voasafidy hitarika ny "mission d'observation de l'Union Africaine". Mikasika ny fifidianana filoham-pirenena any Congo moa izany. Marihana fa miisa 28 ireo mpanara-maso, ka ny 3 amin'ireo dia avy eto Madagasikara. Ny profesora Djacoba Alain Tehindrazanarivelo sy Gilbert Beboarimisa Ralava no miara-miasa akaiky amin'i Hery Rajaonarimampianina any an-toerana.

Fitsarana : Miala sasatra mandritra ny 30 andro

Ny 15 desambra 2023 hatramin’ny 15 janoary 2024 ny "vacances judiciaires" ho an'ny ministeran'ny Fitsarana. Hisy hatrany kosa anefa ny fiandrasan-draharaha, mandritra ireo 30 andro ireo. Araka izany, misokatra foana ihany isan’andro ny fampidiran-draharaha eny anivon’ny lehiben’ny firaiketan-draharaha. Isan’izany ny fangatahana fahafahana vojimaika, ny fangatahana taratasy fitanisan-tsazy (casier judiciaire), ny fanamarinana ny fizakana zom-pirenena, sns.

Olona varira # Efa misy lalàna iarovana azy ireo eto Madagasikara

Nolanian’ny Solombavambahoaka, teny amin’ny Antenimierampirenena, ny tolo-dalàna hiarovana ny sokajin’olona varira. Raha ny fanazavan’ny depiote Randianasolo Nicolas dia tsy afaka miasa araka ny tokony ho izy ireo ray aman-dreny manana zanaka varira, satria voatery mitsoaka ny tanàna misy azy, manafina ny zanak’izy ireo tsy hangalarin’ireo tsy mataho-tody. Raha ny fantatra dia ampiasain’ny olona ho toy ny ody ny taovan’ireo zaza angalariny, indrindra ny masony, izay heverin’ireo minomino foana fa manana hery mahagaga.

Fambolen-kazo : Misy mizara zanakazo maimaimpoana

Ny 15 desambra lasa teo no nisokatra amin’ny fomba ofisialy ny fizarana zana-kazo maimaim-poana ataon’ny ONG Graine de Vie, ka teto Analamanga no nanombohana izany. Maimaim-poana no hakana ireo zana-kazo ireo, fa mitondra ny taratasy manamarina ny fijoroany kosa ny fikambanana ary mitondra karapanondro, raha olon-tsotra. Tanjona amin’izany ny hamerenana indray ny tontolo maitson’i Madagasikara.

Lire la suite

Articles Similaires