• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Moov.Mg
Image
Vaovao

Fialan-tsasatry ny Fitsarana : Hisy ihany ny famoahana didy ataon’ny Mpitsara

15/12/2023 16:33 © Moov.Mg

Toy ny mahazatra isan-taona dia miditra ao anatin’ny fialan-tsasatra ny eny anivon’ny fitsarana Antananarivo manomboka androany 15 desambra hatramin’ny 15 janoary 2024. Io ilay atao hoe : « vacances judiciaires ». Hisy hatrany kosa anefa ny fiandrasan-draharaha, mandritra ireo 30 andro ireo.

Tsy mikatona akory ny Fitsarana

Na fialan-tsasatry ny Fitsarana aza no iantsoana azy dia mitohy foana kosa ny asa eny anivon’ny fitsarana, araka ny fanazavana nentin’ny lehiben’ny firaketan-draharaha, Fitsarana ambaratonga voalohany Antananarivo, ny Me Herinatrehana Inham Ella. Ny didy hitsivolana no mametra sy mamaritra ireo raharaham-pitsarana sy fiandrasan-draharaha misy eo anivon’ny Fitsarana Ambaratonga Voalohany Antanananrivo, hoy izy. Tsy mikatona akory ny Fitsarana, mandritra ireo 30 andro hitsaharana ireo, fa natokana kosa io fotoana io mba hamitana ireo vary mangatsiaka rehetra izay tsy vita nandritra ny taona nodiavina, mba hahafahana manomana ny fiatrehana ny taom-pitsarana vaovao indray. Araka izany, misokatra foana ihany isan’andro ny fampidiran-draharaha eny anivon’ny lehiben’ny firaiketan-draharaha. Isan’izany ny fangatahana fahafahana vojimaika, ny fangatahana taratasy fitanisan-tsazy (casier judiciaire), ny fanamarinana ny fizakana zom-pirenena…

Mijery peta-drindrina

Nisy ny fanatsarana natao tamin’ity taona ity. Raha taloha mantsy, manomboka ny 16 janoary vao mamoaka ny didim-pitsarana izay tafiditra tao anatin’ny « vacances judiciaires » ny Mpitsara, amin’ity indray mitoraka ity kosa dia nomena alalana izy ireo mba hamoaka izay didy heveriny fa tokony hivoaka, na dia ao anaty fialan-tsasatra aza. Mila mijery peta-drindrina eny anivon’ireo sampan-draharaha misahana ny raharahany, araka izany, ny olona manan-draharaha, raha te hahafantatra ny tohiny. Amin’ny tapany maraina ihany kosa no hisy ny fotoam-pitsarana, mandritra ity « vacances judiciaires » ity.

Lire la suite

Articles Similaires