• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Reuters
Image
Vaovao

Zon’ny olona varira : Miroso amin’ny fametrahana ny lalàna ho fiarovana azy

15/12/2023 14:26 © Moov.Mg

Nolanian’ny Solombavambahoaka omaly, teny amin’ny Antenimierampirenena, ny tolo-dalàna hiarovana ny sokajin’olona varira. Azo antenaina fa hitondra fivoarana ho an’ny fiainan’ireo olona manana toe-tena varira eto Madagasikara izany dingana vita izany.

Tolo-kevitry ny Firenena Mikambana

Tamin’ny volana martsa 2022, nisy manam-pahaizana telo momba ny zon’olombelona eo anivon’ny Firenena Mikambana, nanentana ny tompon’andraiki-panjakana eto Madagasikara, mba handray fepetra haingana hiarovana ny olona rehetra manana toe-tena varira. Nilaza ho velom-panahiana mafy, momba ireo karazana herisetra sy ireo trangana fangalarana taovan’olona varira nisesisesy teto Madagasikara mantsy izy ireo. Anisan’ny ahafahana mamongotra io toe-javatra io, hoy ireto manam-pahaizana ireto, ny « fametrahana lalàna mahakasika izany sy ny fanamafisana ny fanentanana ny fiaraha-monina iray manontolo, amin’ny alàlan’ny fampandraisana andraikitra ireo mpitondra fivavahana sy mpitarika nentim-paharazana. ». Efa miroso amin’ny dingana fametrahana ny lalàna ireo parlemantera ankehitriny, taorian’ny nandanian’ireo solombavambahoaka ny tolo-dalàna natolotry ny depiote Randrianasolo Jean Nicolas, voafidy tao amin’ny Distrikan’i Betroka.

Mila sazy henjana

Raha ny fanazavan’ity solombavambahoaka ity dia tsy afaka miasa araka ny tokony ho izy ireo ray aman-dreny manana zanaka varira, satria voatery mitsoaka ny tanàna misy azy, manafina ny zanak’izy ireo tsy hangalarin’ireo tsy mataho-tody. Raha ny fantatra dia ampiasain’ny olona ho toy ny ody ny taovan’ireo zaza angalariny, indrindra ny masony, izay heverin’ireo minomino foana fa manana hery mahagaga. Ny olona rehetra no tokony hiaraka hiaro ireo zaza varira, hoy ny depiote RANDRIANASOLO Jean Nicolas. Ny Fanjakana mihitsy no tokony handray fepetra, mba hahafahan’ireny olona ireny miaina araka ny tokony ho izy, araka ny nambarany hatrany. Isan’ny voarakitra ao anatin’io tolo-dalàna io, araka izany, ny momba ny fiahiana ara-tsosialy tokony ataon’ny Fanjakana ho an’ireo manana toe-tena varira. Eo ihany koa ny amin’ny tokony hametrahana sazy henjana ho an’ireo izay manilikilika ireny olona ireny.

Lire la suite

Articles Similaires