• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Unsplash
Image
Vaovao

Fako avy amin’ny letisia : Manimba ny tontolon’ny biby, manentsina lakan-drano…

14/12/2023 17:06 © Moov.Mg

Manaitra ny rehetra ny vovonana Alliance Voahary Gasy (AVG) amin’izao fotoana fahavokaran’ny letisia izao, mba hitandrina ka tsy hanarinary ny hoditra sy ny voan’ny letisia. Marobe mantsy ny voka-dratsy aterak’izany, araka ny fampahafantarana nataon’ity vovonana miompana amin’ny fiarovana ny tontolo iainana ity.

Voka-dratsy tsy ampoizina

Efa iaraha-mahalala fa ny fako miparitaka dia miteraka loto sy manintona ny lalitra, dia misy vokany hafa tsy eritreretintsika amin’ny andavanandro ihany koa aterak’izany. Rehefa ariana eny rehetra eny ny fako avy amin’ny letisia, hoy ny AVG, dia mety hanintona ny biby. Araka izany, mety hiakatra an-tanàna ireo biby mpanimba voly, na hifindra toerana any amin’ny toerana tsy tokony hahitana azy. Mampikorontana ny tontolon’ny biby, araka izany ny fakona letisia. Etsy an-daniny, mety hanentsina ny fivoahan-drano manerana ny tanàna ihany koa ny fakona letisia miparitaka. Marina fa mety levon’ny natiora izy ireny, saingy rehefa mivangongo tafahoatra, dia tsy maharaka ny fandotoana ataon’ny olombelona ny natiora. Isika olombelona ihany avy eo no iharan’ny tondra-drano vokatry ny fahatsentsenan’ny lakandrano, indrindra fa ao anatin’ny fotoanan’ny orana ihany koa isika amin’izao.

Azo ahodina ho zezika

Etsy an-daniny, manimba ny endriky ny tanàna ny fako miparitaka. Manimba ihany koa ny tontolo iainana, izay isan’ny manintona ireo mpizahatany ho avy eto Madagasikara. Araka izany, any anaty fitoeram-pako ihany no fanariana ny ny hoditra sy voana letisia, hoy ny torohevitry ny AVG. Raha mbola tsy mahita fitoeram-pako, dia ampirimina ao anaty harona mora levon’ny natiora izany, mba tsy hanimbana ny tontolo iainana amin’ny fampiasana plastika ihany koa. Azo atao koa anefa ny manodina ny fakona letisia ho lasa zezika, mba hampanakarena ny nofon-tany. Farany indrindra dia nanafatra ny rehetra ny AVG mba hifanentana, ny amin’ny maha-zava-dehibe ny fitandroana ny fahadiovana sy ny fikajiana ny hatsaran’ny tontolo voajanahary eto amintsika.

Lire la suite

Articles Similaires