• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Présidence De Madagascar
Image
Vaovao

Fianianan’i Andry Rajoelina : Hatrehin’ny filoham-panjakana vahiny maro

14/12/2023 15:01 © Moov.Mg

Fantatra androany, nandritra ny fihaonan’ny Jeneraly Ravalomanana Richard, filoham-panjakana mpisolo toerana, sy Andry Rajoelina, filoham-pirenena voafidy, fa hisy filoham-panjakana maro ho avy hanatrika ny fianianana hotontosaina amin’ny sabotsy 16 desambra ho avy izao.

Fahavononana hiara-hiasa

''Manamarika ny fahavononany hiara-hiasa amintsika no ahatongavan’ireo filoham-pirenena vahiny maro ireo”, hoy ny filoha Andry Rajoelina androany. Anisan’ny fiaraha-miasa efa voaresaka tamin’ireo firenena ireo, raha ny fanazavan’i Andry Rajoelina, ny hanampiana ny fametrahana toby famokarana herinaratra avy amin'ny tohodrano eto Madagasikara. Eo ihany koa ny fanohizana ny fanamboaran-dalana sy ny fanomezana lanja manokana ny fambolena. ''Betsaka ny vahiny matoky sy manohana an'i Madagasikara'', hoy izy, nanamafy. Androany, teny amin’ny lapam-panjakana Iavoloha, nandritra ny fihaonan’ireo filoha roa tonta, mpisolo toerana sy vao voafidy, no nahafantarana izany.

Delegasiônina maro

Araka ny fantatra tokoa mantsy dia delegasiônina maro avy amin’ny firenena isan-karazany no ho tonga eto Madagasikara, hanotrona ny lanonam-pitsarana manetriketrika, izay hanatanterahan’i Andry Rajoelina ny fianianany amin’ny maha-filohan’i Repoblikan’i Madagasikara vao voafidy azy. Isan’izany ny filohan'i Comores, Angola, Zimbabwe, Maurice… ary ihany koa ny avy amin'ny Banky Afrikanina ho an'ny Fampandrosoana. Raha tsiahivina dia ao amin’ny kianjan’ny Barea Mahamasina no hanatontosana ity lanonana ity. Io fotoana io no hahafahantsika mampiseho fa mahay mandray vahiny isika, hoy hatrany i Andry Rajoelina. Notsipihiny, tetsy an-daniny, fa tsy mila korontana intsony isika ary ao anatin'ny filaminana no hampandrosoana an’i Madagasikara.

Lire la suite

Articles Similaires