• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Micc
Image
Vaovao

Fampiroboroboana ny Indostria : Miantso ny fanohanan’ireo mpamatsy vola ny orinasa malagasy, ny Fanjakana

14/12/2023 14:16 © Moov.Mg

Manamarika ny andron’ny Fampiroboroboana ny Indostria aty Afrika taona 2023 isika eto Madagasikara androany, teny Anosy. Fotoana iray izy io, nahafahan’ny mpisehatra ara-indostria nifanakalo hevitra sy nizara traikefa.

Tetikasa fohy ezaka sy lavitra ezaka

Miendrika roa lehibe ny fampiroboroboana ny indostria eto Madagasikara, izay imasoan’ny Minisiteran'ny Fampiroboroboana ny Indostria sy ny Varotra ary ny Fanjifana, hoy ny Minisitra Edgard Razafindravahy, raha nanokatra tamin’ny fomba ofisialy ity fotoana ity. Ny voalohany amin’izany dia mifototra amin’ny fomba fijery lavitra ezaka, izay mamporisika ireo mpampiasa vola sy ireo mpamatsy vola mba hanampy ireo orinasa sy indostria goavana eto Madagasikara. Ny faharoa, izay fohy ezaka kosa, dia miompana amin’ny fanohanana ny indostria miainga eny ifotony sy manakaiky vahoaka, amin’ny alalan’ny tetikasa Taninketsa Indostrialy. Tanjona ny hamporisihana ny fampiasam-bolan’ny vahoaka eny ifotony, ary indrindra ny hahitan’ny rehetra tombontsoa, miainga eny amin’ny tantsaha, ny mpandraharaha mpanodina vokatra, hatramin’ny rafi-panjakana.

Lalàna mifehy ny fampiasam-bola

Araka ny fanazavana nentin’ny minisitry ny Fampiroboroboana ny Indostria sy ny Varotra ary ny Fanjifana, dia tafiditra ao anatin’ny ezaka sy ny hetsika nataon’ny rafi-panjakana, mba hanafainganana izany fampiroboroboana ny indostria maharitra izany, ny fametrahana ny lalàna mifehy ny fampiasam-bola eto Madagasikara sy ny fametrahana ny fifanarahana ara-indostria eo amin’ny rafi-panjakana sy ny sehatra tsy miankina ary ny fametrahana ny Tahirim-pirenena momba ny fampandrosoana ara-indostria (FNDI). “Miatrika ny ho avin’ny indostria eto Madagasikara isika ankehitriny ary mandray an-tanana izany ho avy izany”, hoy ny Minisitra. Araka izany dia nararaotin’ny minisitra Edgard Razafindravahy ny andro androany, nampahatsiahivana ny ezaka efa vita sy ny mbola ho avy, ho fampandrosoana ny indostria miainga eny ifotony sy hanatanterahana ny fanorenana ara-toekarena sy ara-tsosialy.

Fifanakalozan-kevitra

Ankoatra izay dia fotoana iray nahafahan’ny mpisehatra ara-indostria mifanakalo sy mifampizara traikefa ny andron’ny Fampiroboroboana ny Indostria aty Afrika, indrindra eo amin’ny vehivavy sy ny tanora mpandraharaha. Nisy, araka izany ny fanehoan-kevitra nataon’ireo mpandraharaha mpitantana ny Taninketsa Indostrialy efa mihodina, toy ny any Ambatondrazaka izay manodina ny voatabia ho lasa « ketchup » sy ny any Analavory izay manodina ny voanjo ho lasa menaka. Niarahan’ny Minisiteran'ny Fampiroboroboana ny Indostria sy ny Varotra, ny Rafitry ny Firenena Mikambana misahana ny Fampiroboroboana ny indostria (ONUDI), ny Sendikan'ny Indostria eto Madagasikara (SIM) ary ny tetikasa PAISF (Projet d'Appui à l'Industrialisation et au Secteur Financier) nanatontosa moa ity fanamarihana androany ity.

Lire la suite

Articles Similaires