• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Association Steps
Image
Vaovao

Ady amin’ny herisetra : Manohana ny Centre Vonjy Befelatanana ny Antenimieram-pirenena

13/12/2023 20:37 © Moov.Mg

Tonga nitsidika ny Centre Vonjy eny Befelatanana ny Antenimeram-pirenena sy ny fikambanana Soroka sy Tongotra Entin'ny Parlemanta ho an’ny Sosialy (StepS) androany. Nivimbina fanomezana, ho fanohanana ity ivon-toerana ity izy ireo, nandritra izany.

Mirongatra ny fanolanana

Fikambanana mijoro eo anivon’ny Antenimierampirenena eny Tsimbazaza ny StepS. Tanjona napetraka tamin’ny nananganana azy ny hanarenana ny toekaren’i Madagasikara amin’ny sehatra rehetra. Antoka iray ahafahana mampandroso ny firenena ny famongorana ny herisetra amin’ny endriny rehetra, satria ny olom-pirenena miaina tsy ao anatin’ny tahotra sy ny horohoro, salama vatana sy saina, afaka miasa sy mamokatra, no afaka mampisondrotra avo ny tanindrazany. Efa nisy moa ny fotoana nandalovan’ireo Solombavambahoaka miandraikitra ny momba ny fampisitrahana fahasalamana sy zo ara-pananahana (SDSR) eo anivon’ny Antenimierampirenena tao amin’ny Centre Vonjy. Nandritra izany no nilazan’ireo tomponandraikitra tamin’izy ireo, fa tsy mitsaha-mitombo ny trangana fanolanana raisin’ity ivon-toerana ity, hatramin’izay nijoroany.

Zazakely sy zokiolona

Araka ny fanazavan’ireo mpisehatra eo anivon’ny Centre Vonjy dia manomboka amin’ny zazakely, hatramin’ireo efa zokiolona, no tratran’ny herisetra ara-nofo ka raisin’ny ivon-toerana an-tanana. Misitraka tohana amin’ny fitoriana araka ny lalàna, ireo izay niharan’ny fanolanana, rehefa tonga ao. Mahazo fitsaboana ara-batana ihany koa izy ireo ary omena tohana ara-psikôsôsialy, ho fitsaboana ny sainy sy hamerenana azy indray eny anivon’ny fiarahamonina. Voalaza fa ny fijerena horonan-tsary mamoafady sy ny fandraisana zava-mahadomelina no isan’ny manosika ireo tsy mataho-tody hampihatra herisetra ara-nofo. Maro ihany koa ireo trangana herisetra miseho ao anatin’ny sehatry ny asa. Mafy, araka izany, ny iainan’ireo olona niharan’ny herisetra ireo ary mafy ihany koa ny asa atrehin’ireo mpisehatra eo anivon’ny Centre Vonjy. Nitondra tolo-tanana ho an’ity ivon-toerana ity, ny SDSR ao amin’ny Antenimierampirenena, fanomezana izay noraisin’ny lehiben'ny hopitaly, ny Profesora Hery Rakotovao Andrianampanalinarivo sy ny mpitantana ny Centre Vonjy.

Lire la suite

Articles Similaires