• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Graine De Vie Madagascar
Image
Vaovao

Tontolo maitso : Mizara zana-kazo maimaim-poana ny ONG Graine de vie Madagascar

13/12/2023 16:34 © Moov.Mg

Toy ny efa fanaony isan-taona dia hizara zana-kazo amin’ireo izay maniry ny hamboly hazo indray ny fikambanana tsy miankina Graine de Vie Madagascar. Tanjona amin’izany ny hamerenana indray ny tontolo maitson’i Madagasikara.

Mamerina tontolo maitso

Ny 15 desambra izao no hisokatra amin’ny fomba ofisialy ny fizarana zana-kazo maimaim-poana ataon’ny ONG Graine de Vie, ka eto Analamanga no hanombohana izany. Maimaim-poana no hakana ireo zana-kazo ireo, fa mitondra ny taratasy manamarina ny fijoroany kosa ny fikambanana ary mitondra karapanondro, raha olon-tsotra. Hiitatra amin’ireo Faritra maro samy hafa eto amin’ny Nosy izany fizaràna izany avy eo, toy ny any Vatovavy, Fitovinany, Amoron’i Mania, Menabe, DIANA… Misy laharana finday nozarain’ny Graine de Vie Madagascar ao anatin’ny pejy Facebook-ny, ahafahana manontany ny andinindininy rehetra momba izany. Araka ny fantatra moa dia manana toeram-pambolen-kazo miisa 322 manerana an’i Madagasikara ity fikambanana tsy miankina ity. Miara-miasa amina mpiara-miombon’antoka maro izy, mba hanatrarana izay tanjona hamerenena ny ala eto amintsika izay.

Fikarakarana sy fanaraha-maso

Manentana ny rehetra tsy hionona amin’ny fambolena fotsiny ny ONG Graine de vie, fa hifototra indrindra indrindra amin’ny fanaraha-maso sy ny fikarakarana ireo zana-kazo novolena ihany koa. Raha tsiahivina, ny 10 janoary tamin’ity taona ity dia nitafa tamin’ny mpanao gazety i Fréderic Debouche, Filohan’ny ONG Graine de Vie Madagascar. Nandritra izany no nanehoany ny hatezerany noho ny tsy fandraisan’andraikitry ny tomponandraikitra isan’ambaratongany, ka mahavery maina ny asa ataon’izy ireo. Levon’ny afo mantsy ireo zana-kazo ambolena, noho ny tsy fisian’ny paikady matotra amin’ny fanaraha-maso azy ireny sy ny ady amin’ny doro tanety. Efa am-polo taonany mahery moa no niasan’ny ONG Graine de vie teto Madagasikara.

Lire la suite

Articles Similaires