• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Moov.Mg
Image
Vaovao

Tarika Reko : Efa lany avokoa ny tapakila ho an’ny fampisehoana amin’ny alahady

13/12/2023 13:55 © Moov.Mg

Efa lany avokoa ny tapakila rehetra, ho an’ilay seho hotanterahin’ny tarika Reko amin’ny alahady ho avy izao. Seho fanokafana ny faha-5 taona nisian’ny tarika izy ity, ifanomezan’izy ireo fotoana amin’ireo mpankafy rehetra.

Hira 34 isa

Efa mipetrapetraka tsara ny fikarakarana ny seho hotanterahin-dry Fy Rasolofoniaina amin’ny alahady ho avy izao ao amin’ny CCESCA Antanimena. Fankalazana ny tsingerintaona faha-5 nisian’ny tarika io, ka mampanantena seho miavaka noho izay efa nataony hatramin’izay ny tarika Reko. Fifangaroana fihetseham-po isan-karazany no ho tsapan’ny mpijery, mandritra io fotoana io, hoy i Fy Rasolofoniaina. Namboarina manokana mba hampientana, araka izany, ny sehatra, ny jiro, hatramin’ny fahitalavitra lehibe hampiasaina amin’io fotoana io. Nisy mihitsy ny mozika noforonina manokana, mba hanaingoana ny seho. Raha tia mivazovazo eny ambony tamboho, dia hahazo fahafaham-po, hoy hatrany izy, nanome sombiny kely hampilendalenda ny mpankafy. Fotoana tokana sady farany rahateo io, hahenoana ireo hira rehetra nahafantarana ny tarika Reko indray mitambatra ao anaty fampisehoana iray, hoy izy 4 mirahalahy. Miisa 34 izany hira izany, izay samy holalaovina amin’io fotoana io daholo.

Hira mitondra fanabeazana

Ny Studio 58 no mikarakara ity hetsika amin’ny alahady ho avy izao ity. Tanjon’izy ireo ny hanandratra ny kolontsaina malagasy sy ny hanasongadina ireo mpanakanto Malagasy. Mpanohana sy niara-niasa tamin’ny Studio 58, nanomboka tamin’ny fampisehoana nataon’i Niu Raza tao amin’ny CCESCA Antanimena, ny Telma Madagascar. Mitovy ny vina, hoy i Riantsoa Rabefitia, tomponandraikitra avy ao amin’ity vondron’orinasa ity. Ankoatra ny maha-fialamboly ny hira, hoy ny fanazavany, dia manana izay lafy mitondra fanabeazana izay ihany koa ny hiran’ny tarika Reko. Izay no nambabo ny Telma, ka mahatonga azy hanohana ity fampisehoana ity. Ho fanomezana fahafaham-po ireo izay tsy afaka nanatrika ny seho moa dia hizara ireo ampahan-tsary hanamarika ny fampisehoan’ny tarika Reko, ao anatin’ireo tambajotran-tseraserany, ny Telma Madagascar. Tahaka izay ihany koa ny Studio 58.

Azo arahina ao anaty tranonkala

Ny seho iray manontolo dia azon’ireo tsy nahazo tapakila arahina ao anatin’ny tranonkala sehatra.com. Ho afaka hianoka ity fotoam-pankalazana ity ihany koa, araka izany, na ireo monina any ivelan’i Madagasikara aza. Ankoatra ny fampisehoana dia ho hita eny amin’ny CCESCA Antanimena, amin’io alahady 17 desambra io ihany koa, ireo kipitsopitsony kely mitondra ny anaran’ny tarika reko (goodies), izay azo atao fahatsiarovana. Mampanantena seho tsy manam-paharoa i Fy Rasolofoniaina, Zazah Maminiavo, Princia Razakamahefa sy Diary Razafimamonjiraibe. Fanokafana ihany moa io amin’ny alahady io, fa mbola hitohy ny fankalazana ny faha-5 taona nisian’ny tarika Reko.

Lire la suite

Articles Similaires