• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Nap Agnalazaha
Image
Vaovao

Faritra arovana Agnalazaha : mihamatevina ny atiala, mitombo isa ny varika mena

12/12/2023 16:13 © Moov.Mg

Faritra arovana manana ny maha-izy azy any amin’ny Distrikan’i Farafangana ny alan’Agnalazaha. Miroborobo io atiala io amin’izao fotoana izao ary efa manomboka mahatsapa ny voka-tsoa azo avy amin’ny fiarovana azy ireo vondron’olona ifotony any an-toerana.

Biby sy zava-maniry tsy fahita firy

Any amin’ny Kaominina Mahabo Distrikan’i Farafangana, Faritra Atsimo Atsinanana, no misy ny alan’Agnalazaha. 2 745 ha no velaran-tanin’izany faritra arovana izany. Ahitana karazam-biby sy zava-maniry maro tsy fahita firy ao aminy. Raha ny zava-maniry no resahina dia misy karazany 246 eo ho eo ao amin’io atiala io. Ny 81% (198 isa) no tsy fahita raha tsy eto Madagasikara ary ny karazany 10 no tsy misy afa-tsy any amin’ny Faritra Atsimo Atsinanana. Raha ny biby indray dia isan’ny miavaka indrindra monina ao Agnalazaha ny varika mena, izay tsy fahita raha tsy ao an-toerana ihany. Araka ny fantatra dia efa ho 20 taona izao no niarovana ity ala ity, noho izay izy ahitana zava-manan’aina sarobidy izay. Manintona mpizahatany maro ihany koa, noho izany, ity toerana ity.

Miantraika amin’ny velon-tena

Vokatr’izay fiarovana azy izay dia efa tafakatra avo telo heny ny hazo azo trandrahana ao amin’ny atialan’Analazaha. Misy karazan-kazo vaovao hita ihany koa ao an-toerana ary efa tafiditra ao anatin’ny fanisana. Araka izany, mihamatevina ny ala, ka tamana ireo biby. Tsikaritra, vokatr’izany, fa mitombo isa ireo varika mena monina ao Agnalazaha, ka mahavelom-panantenana izany. Tsy mitsahatra ireo mpiaro ny ala any an-toerana ny manentana, mba hiarovana ny ala. Ampianarina, ohatra ireo mpandrary, mba hamboly ilay karazan-java-maniry antsoina hoe : mahampy, izay ampiasain’izy ireo amin’ny famokarany, fa tsy hiantehatra fotsiny amin’ny mahampy voajanahary. Raha mitohy izao asa fiarovana ny ala izao dia tombanana hisy fiantraikany goavana amin’ny velon-tenan’ireo mponina izany, ao anatin’ny 5 taona hatramin’ny 10 taona, raha ela indrindra.

Lire la suite

Articles Similaires