• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Présidence De Madagascar
Image
Vaovao

Fianianan’ny filoha voafidy, Andry Rajoelina : Hisy tapakila hosarihana, hahazoana trano na tany

12/12/2023 15:04 © Moov.Mg

Efa mipetrapetraka daholo ny fandaminana rehetra momba ny fianianana hataon’ny filoham-pirenena voafidy fanindroany, Andry Rajoelina, izay hotanterahina amin’ny sabotsy 16 novambra izao eny amin’ny kianja Barea Mahamasina. Nivoitra izany, nandritra ny valan-dresaka nataon’ny mpandrindra ankapobeny ny hetsika sy ny EMMO-NAT.

Filoham-panjakana vahiny

Amin’ny 6 ora maraina no hisokatra ny vavahady hidiran’ireo olona rehetra ho avy hanatrika ity lanonam-pitsarana manetriketika ity. Vavahady miisa 5 no efa nomanina fa hosokafana amin’izany. Ho hentitra ny fandaminana, ka nanentana ny rehetra ireo mpitandro ny filaminana mba hanarahana izany an-tsakany sy an-davany. Miisa 6 000 moa ireo mpitandro ny filaminana fantatra fa hahetsika eto Antananarivo amin’io andron’ny 16 desambra 2023 io. Tsy hisy ny fandeferana, fa avy hatrany izy ireo dia hisambotra izay minia manakorontana, araka ny fampitandremana nataon’ny teo anivon'ny EMMO NAT. Hisy filoham-panjakana vahiny amperinasa, na teo aloha, ho avy hanotrona ity lanonana ity rahateo. Isan’izany ny filoham-pirenen’i Kaomoro Azali Assoumani, araka ny tsiliantsofina. Efa tomombana avokoa ny arofenitra hiarovana azy ireo sy ireo olom-panjakana maro samy hafa, hoy hatrany ny fanambarana.

Hetsika ara-kolontsaina

Aorian’ny fianianana hotanterahina amin’ny tapany maraina, izay hotarihin'ny filohan'ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana, dia hisy ny hetsika ara-kolontsaina maro isan-karazany hatao amin’ny tapany hariva. Hofaranana amin'ny afomanga lehibe ny hetsika amin’io sabotsy io. Ankoatra izay dia hisy ny fizarana tapak’ila ho an’ireo olona ho avy hanatrika ity fianianana hataon-dRajoelina Andry ity, manomboka amin’ny 6 ora hatramin'ny 9 ora maraina. Hahafahana mandray anjara amin’ny fisarihana hahazoana trano mora na tany izany tapakila izany. Maimaim-poana avokoa izany rehetra izany. Androany moa no notontosaina teny amin'ny Kianjan'ny Barea Mahamasina ny famerenan'ny Tafika sy ny fivoriana iarahan'ireo tompon'andraikitra samihafa, nandaminana faramparany ny momba ity lanonna ity.

Lire la suite

Articles Similaires