• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Moov
Image
Vaovao

Fintim-baovao : Ireo vaovao nisongadina ny 4 hatramin'ny 10 desambra 2023

11/12/2023 11:00 © Moov.Mg

Atolotra anao indray ireo vaovao nisongadina ny 4 hatramin'ny 10 desambra 2023 teto Madagasikara.

Madagascar Airlines # Miato ny fitaterana mankany ivelany

Mbola miato hatrany ny sidina mankany ivelany ataon’ny kaompania Madagascar Airlines, raha ny fanazavana nentin’ny minisitry ny fitaterana sy ny famantarana ny toetry ny andro, Ramonjavelo Valérie. Mitentina any ho any amin’ny 9 miliara ariary isam-bolana ny fatiantoka tamin’ny sidina ivelany. Tafiditra ao anatin’ny paikadim-panarenana an’ity orinasa ity izany, izay mbola mandalo fotoan-tsarotra tanteraka amin’izao fotoana izao.

Andry Rajoelina # Nisaotra ireo nifidy azy

Vao tafaverina avy any Dubai, nanatrika ny COP28, ny filoha Andry Rajoelina dia nidina teny amin'ireo faritra iva izay tena nandany azy tamin'ny fifidianana filoham-pirenena farany teo. Teny Ampefiloha sy Ankorondrano Andrefana ary Andranomanalina ny tenany nanolotra jiro mandeha amin'ny herin'ny masoandro. Maromaro ireo nahazo fanampiana manokana, raha misy ireo fianakaviana nampanantenaina fanamboarana ny tranony. Nanamafy i Andry Rajoelina fa hikaroka fanomezana manokana hahafahan'ireo vahoaka madinika hifety toy ny olon-drehetra.

Governemanta vaovao # Hifantoka amin'ny sosialim-bahoaka

Miandry ny fahavitan'ny fianianana fotsiny i Andry Rajoelina dia hanomboka hanatanteraka planina maty paika ho fitsinjovana ny sosialim-bahoaka. Hisy ny fampiofanana ireo vehivavy, mba hitomboan'ny fidiram-bola ao an-tokantrano. Andrasana araka izany ny andinindininy mikasika izany drafi-pandrosoana ara-tsosialy izany. Araka ny tazana eny amin'ny ARENA Ivandry dia mbola mitohy ny fizarana fanomezana.

Fianianana # Lanonana ho an'ny Malagasy tsivakivolo

Ny sabotsy 16 desambra, iray volana aorian'ny fifidianana, no hanatanterahin'ny filoham-pirenena lanim-bahoaka, Andry Rajoelina. Eny amin'ny Kianja Barea ny fotoana. Ny maraina no hanaovan'ny filoha ny fianianana, ny hariva kosa dia fampisehoana iarahana amin'ireo mpanakanto maro. Hiara-hifaly sy hikorana ny malagasy rehetra amin'io andro io, sady efa mandeha amin'ny haino aman-jerim-panjakana ny fanentanana rehetra.

Collectif des candidats # Mikasa hanohy ny tolona

Somary nangingina ny Collectif des candidats, izay ivondronan'ny kandida miisa 11. Araka ny fantatra nefa dia miomana amin'ny tohin'ny hetsika izy ireo, dia ny fidinana an-dalambe izany. Hiverina indray ny tolona manomboka amin'ity herinandro ity, na dia mbola tsy fantatra mazava aza ny fandaharam-potoana. Ny eny amin'ny 13 mai Analakely dia mbola ahitana mpitandro ny filaminana marobe hatrany isan'andro. Samy tsindrian-daona hihaino ny fanambaran'ireo mpitarika ireo mpanara-dia.

Hiragasy # Lasa harentsain'ny zanakolombelona eo anivon'ny UNESCO

Novalian'ny UNESCO soa aman-tsara ny fangatahan'i Madagasikara ny amin'ny hampidirana ny hiragasy ao anaty lisitry ny harentsain'ny zanakolombelona. Haren'ny kolontsaina malagasy tokoa mantsy ny hiragasy, noho izy maneho gadonkira miavaka tsy mety lany andro, sy tononkira feno anatra. Nisy ny lanonana nanambarana izany vaovao tsara izany, omaly alahady 10 desambra 2023. Natrehin'ireo olo-manankaja maro ny fotoana, ka ny Filoham-panjakana mpisolo toerana ny Jeneraly RAVALOMANANA Richard no nitarika tamin'izany.

Kolontsaina # Fodiamandrin'i Black Jacks

Sembanan-drahona indray ny tontolon'ny kanto Malagasy. Nodimandry ny zoma 8 desambra lasa teo i Delacre Randriamiarana, fantatra tamin'ny solon'anarana hoe Black Jaks. Samy nankafy ny kantony na ireo efa zokinjokiny na ireo tanora vao misandratra. Nampiavaka azy ireo hira mifono anatra sy fampaherezana, ka anisan'izany ilay fehezanteny malaza hoe "Tsy aleo ve miaina tsy misy romoromo amin'ny ravimbomanga kely sy patsa, toy izay any amin'ny havana hanimpitoloha sady arahiny latsa". Ny alatsinainy 11 desambra no hanaovam-beloma azy farany ao amin'ny EKAR Antanimena.

Fetin'ny faran'ny taona # Mitohana tanteraka ny fifamoivozana

Herinandro izay, mitohana tanteraka ny fifamoivozana, indrindra ny manodidina ireo toerana be olona : Analakely, Anosy, 67ha, Isotry, Behoririka, sns. Na aiza na aiza toerana aleha dia tsy maintsy manomana fotoana mihoatra raha hamonjy "rendez-vous" na ora fidirana any amin'ny toeram-piasana. Na andro sabotsy aza dia tena mamely mafy ny fitohanana. Rehefa tapitra ny noely vao mety hiha-maivana izany fitohanana izany.

Fahavaratra # Misy lavaka atahorana eny Ivandry sy Andravoahangy

Sahirana tokoa ireo mpamily isaky ny latsaka ny orana eto Antananarivo. Tsy vitsy ireo fiara tsotra na moto no latsaka anaty lavaka lalina sady misy ranomaimbo, dia ny etsy Ivandry, alohan'ny hiakarana ny Ambassade de Russie, sy ny etsy Andravoahangy,manoloanany Rotsirotsy.Manao antso avo amin'ireo tompon'andraikitra ireo mpampiasa lalana mba hanatanteraka fanamboarana maharitra. Maro no efa mahalala ireo toerana misy lavaka saingy tsy vitsy ihany koa ny tsy zatra ilay lalana ka mianjera vao tafajanona.

Tambajotra Parlemantera ho an’ny Rariny ara-Pananahana

Tafatsangana tamin’ny fomba ofisialy ny Tambajotra Parlemantera ho an’ny Rariny ara-Pananahana na ny Réseau Parlementaire pour la Justice Reproductive (RPJR). Zava-dehibe loatra ny fisian’ity tambazotra ivondronan’ireo mpanao lalàna ity, manoloana ireo mbola olana mipetraka eto Madagasikara, momba ny fisitrahana fahasalamana ara-pananahana feno.

Lire la suite

Articles Similaires