• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Msk
Image
Vaovao

Hiragasy : Lanonambe nankalazana ny naha-harentsain'ny zanakolombelona

10/12/2023 19:06 © Moov.Mg

Fandresena lehibe ho an'ny Malagasy tsivakivolo ny nahatafidiran'ny Hiragasy ho harentsain'ny zanakolombelona (patrimoine culturel immatériel) eo anivon'ny UNESCO. Mendrika lanonandehibe tokoa izany.

Tontosa androany Alahady 10 Desambra 2023 ny lanonana fanambarana manetriketrika ny nampidirana ny hiragasy ho harembakoka ara-tsain’ny zanakolombelona, teny amin'ny Kianjan’ny Hiragasy Ampefiloha.
Notarihin’ny Filoham-panjakana mpisolo toerana ny Jeneraly RAVALOMANANA Richard ny fotoana, niaraka tamin-dRamatoa Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina mpisolo toerana Gabriella Vavitsara RAHANTANIRINA, ary ny Sekretera Jeneralin’ny Vaomieram-pirenena Malagasy momba ny UNESCO Manda RAVELOJAONA.
Nasain’ny Minisitera manokana ny Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina teo aloha Lalatiana RAKOTONDRAZAFY izay nitarika sy nitondra ity asa lehibe fampidirana ny Hiragasy ity tao anatin’izay 5 taona latsaka kely izay. Nandravaka izany lanonana manetriketrika izany ny ady hiragasy goavana nifanandrinan’ny Tarika Marie Louise Anivorina sy ny Tarika Fredikely Imerintsiatosika.

Fanambarana

Raha tsiahivina, ny Talata 5 Desambra 2023 teo tokoa no nisy ny fivoriana faratampony iraisan’ireo Governemanta maneran-tany eo anivon’ny UNESCO tany Botswana nanapaka ny fampidirana ny hiragasy ho harembakoka ara-tsain’ny zanakolombelona.

Nandritra ny lanonana androany no namakian’ny Filoham-panjakana mpisolo toerana ny fanambarana manetriketrika izay narahin’ny fanehoana ny sary famantarana maneran-tany ny hiragasy ho harembakoka ara-tsain’ny zanakolombelona. Natolotry ny Filoham-panjakana ny Filohan’ny Federasion’ny hiragasy sy ny Biraon’ny Federasiona ny saina misy ny sary famantarana ary nakarina ho talaky maso ao amin’ny Kianjan’ny Hiragasy.


Copyright Image : © MSK

Lire la suite

Articles Similaires