• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Net
Image
Vaovao

Jeneraly Ranjeva Marcel : Olona mahitsy, hoy ny filoham-panjakana mpisolo toerana

08/12/2023 19:39 © Moov.Mg

Noraisin’ny jeneraly Richard Ravalomanana, filoham-panjakana mpisolo toerana, teny amin’ny lapam-panjakana Ambohitsirohitra, androany, ny jeneraly misotro ronono, Ranjeva Marcel, izay vao voatendry ho lehiben’ny mari-boninahi-pirenena. Fihaonana voalohany teo amin’izy ireo ity notontosaina androany ity.

Manomana ny fianianana

Araka ny nambaran’ny jeneraly Richard Ravalomanana dia olona nianatra, olona mahitsy ary tsy mba nahenoana laza ratsy mihitsy ny jeneraly Ranjeva Marcel, nandritra ny fotoana nanatanterahany ny asany. Na amin’izy efa misotro ronono izao koa aza, dia tsy mba manembatsembana ireo am-perin’asa izy. Mendrika azy, noho izany, io toeram-boninahitra natolotra azy io. Raha ny fanazavan’ny filoham-panjakana mpisolo toerana dia ny fanomanana ny fotoanan’ny fianianana hataon’i Andry Rajoelina, amin’ny 16 desambra ho avy izao, no isan’ny vontoatin’ny fihaonana teo amin’y roa tonta. Nandritra izany ihany koa no nanaovan’ny jeneraly Ravalomanana antso, mba tsy hisian’ny fanakorontanana. Hisy filoham-panjakana vahiny ho avy hanotrona io fotoana io, araka ny nambarany, ka tokony hanaja tena isika.

Asa sosialy

Etsy an-daniny, ny jeneraly Marcel Ranjeva dia nisaotra ny filoham-panjakana mpisolo toerana tamin’ny fandraisana azy androany sy nankasitraka ny amin’ny nanendrena azy ho lehiben’ny mari-boninahi-pirenena. Raisiny ho voninahitra lehibe izany, araka ny nambarany. Raha tsiahivina dia nanomboka ny taona 2009 izy no nandeha nisotro ronono. Tsy nitsahatra ny nanao asa sosialy izy nandritra izany, indrindra teny amin’ny Fokontany fonenany eny Anosy Avaratra, araka ny fanazavany. Isan’ireo nojerena akaiky tamin’izany ny momba ireo mpamboly, hoy izy. Ity jeneraly misotro ronono ity moa no hampisalotra samboady ny filoham-pirenena voafidy, amin’io andron’ny 16 desambra io. Momba izay indrindra dia nilaza izy fa amin’ny maha-miaramila azy dia tsy afaka manana sefo mihotra ny iray izy, dia izay lanim-bahoaka.

Lire la suite

Articles Similaires