• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Antenimierampirenena
Image
Vaovao

Fahasalamana : Tafatsangana ny Tambajotra Parlemantera ho an’ny Rariny ara-Pananahana

08/12/2023 18:47 © Moov.Mg

Tafatsangana tamin’ny fomba ofisialy androany, teny Ambodivona, ny Tambajotra Parlemantera ho an’ny Rariny ara-Pananahana na ny Réseau Parlementaire pour la Justice Reproductive (RPJR). Zava-dehibe loatra ny fisian’ity tambazotra ivondronan’ireo mpanao lalàna ity, manoloana ireo mbola olana mipetraka eto Madagasikara, momba ny fisitrahana fahasalamana ara-pananahana feno.

Fanavaozana ny lalàna

Ny 11 hatramin’ny 13 oktobra lasa teo no nanatanterahana ny atrikasa hametrahana ny Tambajotra Parlemantera ho an’ny Rariny ara-Pananahana, tany Toamasina. Ny Fikambanana tsy miankina IPS Afrique Francophone sy ny tetikasa fahasalamana sy zo ara-pananahana ary VIH /SIDA (SDSR) sy ny fikambanan’ireo parlemanteran’ny SADC (Forum Parlementaire de la SADC) no tompon’antoka tamin’izany. Tanjona amin’ny nananganana azy ity ny hanatsarana ny fisitrahan’ny vehivavy, ny tanora, ny olon-dehibe sy ny vahoaka malagasy rehetra mihitsy ny zo ara-pananahana. Anjaran’ireo parlemantera mivondrona ao anatin’ity tambajotra ity ny mitondra fanavaozana amin’ny lalàna sy manohana ny fampitomboana ny tetibolam-panjakana, mba hiantohana izay fahasalamana ara-pananahana izay. Mifanampy amin’ny firaisamonim-pirenna ihany koa izy ireo mba hisian’ny fifanomezan-tanana eo amin’izy ireo sy ny fitondram-panjakana.

Manara-maso ny governemanta

Manana anjara andraikitra goavana tokoa mantsy ny parlemantera, amin’ny fanatrarana ny tanjon’ny fampandrosoana Lovainjafy (ODD) sy ireo tanjona manokana napetrak’i Madagasikara. Ankoatra ny fandaniana ireo lalàna sy fanamafisana ny lalàna efa misy, mifandraika mivantana amin’ny fahasalamana ara-pananahana, dia manana anjara asa manatsara ny lalàna momba ny ady amin’ny fanilikilihana sy ny herisetra mahazo ny vehivavy ihany koa izy ireo, manamafy ny lalàna miady amin’ny fampanambadiana aloha loatra ny ankizy, ny vohoka aloha loatra sy tsy niriana, ny ady amin’ny VIH/SIDA, ny fahafahan’ny ankizy sy ny tanora misitra fanabeazana ara-pananahana feno. Anjara asan’izy ireo, ankoatra izay, ny manara-maso ny asan’ny governemanta, izay mifandraika amin’ireo ady marobe tokony atao ireo. Afaka mitondra fivoarana be eo amin’ny fahasalamana ara-pananahana, araka izany ny parlemantera.

Tsy ampy ny fanentanana

Raha ny zava-misy amin’izao eto Madagasikara, dia manana ny lalàna 2017-043 mahakasika ny fahasalamana ara-pananahana sy fandrindram-piterahana ary ny fidiovana sy fahadiovana mandritra ny fahatongavan'ny fotoana eo amin'ny vehivavy isika. Vitsy anefa ny mahafantatra io lalàna io, satria tsy ampy ny fanentanana sy ny fampahalalana azy. Etsy an-daniny, nanao sonia ny fifanarahana afrikanina momba ny zon'olombelona sy ireo mahakasika ny zon'ny vehivavy, na ny "Protocole de Maputo" ihany koa isika, tamin’ny taona 2003. Hatreto anefa dia tsy mbola nankatoavina (ratification) teo anivon'ny parlemanta malagasy izany fifanarahana izany. Antenaina, noho izany, fa dingana lehibe ho an’ny fametrahana tanteraka ireo lalàna sy fifanarahana iraisam-pirenena ireo, ny fijoroan’ity RPJR ity.

Lire la suite

Articles Similaires