• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Temoignagesre
Image
Vaovao

Faritra Fitovinany : Tsy ampy lanja ny 8%-n’ny ankizy latsaky ny 5 taona

08/12/2023 15:40 © Moov.Mg

Roa taona latsaka kely aty aorian’ny nandalovan’ny rivo-doza Batsirai sy Emnati tany amin’ny tapany Atsimo Atsinanan’i Madagasikara, mbola sarotra ny fiarenan’ny olona any an-toerana. Tafalatsaka tanteraka ao anatin’ny tsifanjriantsakafo ny mponina any amin’ny Faritra Vatovavy, Fitovinany ary Atsimo Atsinanana.

Misy mihoatra ny 15%

Mifanahantsahana amin’ny kere misy any Atsimon’ny Nosy ny sakave misy any Atsimo Atsinana ankehitriny. 8% ny tahan’ny tsifanjariantsakafo ankapoben’ireo zaza latsaky ny 5 taona, raha ny fanadihadiana nataon’ny fikambanana tsy miankina Action Contre la Faim (ACF) tany amin’ny Distrika telo tany amin’ny Faritra Fitovinany, tamin’ny volana oktobra lasa teo. 6,3% izany tany amin’ny distrikan’i Manakara ary 12,1% tany Ikongo. Kaominina 15 no nahitana tahana tsifanjariantsakafo ankapobeny mihoatra ny 10%. Nihoatra ny 15% kosa izany tany amin’ny kaominina miisa 6. Ny tsy fahampian-danja raha mitaha amin’ny taona, no manamarika izany tsifanjariantsakafo ankapobeny izany.

Tsy manana masomboly

Ny faharavan’ireo fambolena, na ireo natokana hatao sakafo, na ireo fanondrana, na ny voankazo, vokatry ny fandalovan’ny rivo-doza, no tena nitarika ny tsifanjariantsakafo any Atsimo Atsinanana. Mafy ny miatrika ny vanim-potoanam-pambolena, izay nanomboka tamin’iny volana novambra teo iny. Araka ny fanadihadiana nataon’ny ONG ACF hatrany dia tsy ampy, na tsy nisy mihitsy, ny masomboly sy ny fitaovam-pamokarana, ho an’ny 36%-n’ireo tokantrano. Vokatr’ireo olana ireo dia tombanana ho mponina miisa 900.000 no miaina ao anaty tsifanjariantsakao mahery vaika ankehitriny, any amin’ny Faritra Fitovinany. Miezaka manohana azy ireo ara-tsakafo ny ACF, ka tokantrano 17.000 isa no misitraka izany, izany hoe : olona miisa 80.000, hatramin’ny volana septambra lasa teo. Tokantrano 3.000 isa kosa no omena tosika mba ho afaka mamokatra indray, ao anatin’ity vanim-potoana fambolena 2023-2024 ity.

Manohana ireo tobim-pahasalamana

Misy, ao anatin’izany, ny fanomezana vola ho an’ireo tokantrano, mba hahafahan’izy ireo miavotra. Maro no nividy masomboly, na ampahan-tany kely hovolena indray, taorian’ny fahapotehan’ny tanimboliny noho ny nafitsoky ny rivo-doza. Ao koa ireo miezaka manarina ny trano fonenany, izay ravan’ny andro ratsy. Etsy an-daniny, manohana ireo tobim-pahasalamana mba hanatsara ny fandraisan’izy ireo an-tanana ny marary ihany koa ny ACF, amin’ny alalan’ny fanomezana fiofanana sy fanolorana fitaovam-pitsaboana. Tafiditra ao anatin’izany ny fitaterana ireo ankizy tratran’ny tsifanjariantsakafo mahery vaika mila fitsaboana malaky, eny anivon’ny hôpitalin’i Manakara sy ny fandraisana an-tanana ny saram-pitsaboana, ny sakafo sy ny fitaovam-pidiovana ilain’izy ireo. Nanokatra ivon-toerana any Manakara, Faritra Fitovinany mihitsy moa ny ACF, noho ny zava-misy any an-toerana ankehitriny.

Lire la suite

Articles Similaires